AnniverSERASERA 10 Taona

Tiako ny teniko, tiako ka teneniko "

Ho antsika rehetra te handray anjara amin'ny fandraisam-peo sy filalaovana tantara an'onjam-peo izay havoaka ao amin'ny www.radiovazogasy.com

Ho antsika izay mpanoratra Tantara, na angano, ka maniry ny hilalaovana izany dia manoratà amin'i haja@serasera.org

Ny fandraisam-peo dia hatao any Roma , Paris, ary Tana

Ho antsika manana tantara tiana hampahalalana an-tsoratra dia azonao alefa ihany koa izany dia avoaka eto amin'ny www.ohabolana.org

« Tsiky dia ampy »

News

    Koriam-penina... Hehinao...

    ...HEHINAO... Ilay fanenon-tafontrano danihin-johary mitataovovonana  no mozika kanto nanaitra ahy sy nampihiratra ny masoko. Nangala-pijery tany amin’ilay famantaran’andro lehibe teo... More

    Koriam-penina...Alim-pitia

    ...ALIM-PITIA...  Nony tonga teo am-baravarana isika dia hoy ianao mantsy aho. “voky tsara ve ianao ?” tsy mbola tapitra akory ilay tsikiko dia efa niteny sahady ianao manao hoe : &ld... More

    Ampy izay

    Raha misy tokoa fitandrovana ny Tombotsoan’ny olom-pirenena malagsy, tsy itarazoka lava tahaka izao ity transition ity. Tsy misy miraharaha ny fahoriam-bahoaka andavanandro izay mihalalina hatra... More

    Koriam-penina...Takarivatsika...

    ...TAKARIVATSIKA... Ilay moka adaladala nanaikitra anao no namoha antsika teo am-pifamihinana. “Amin’ny firy izao” hoy ianao. “Vao amin’ny valo ora sy sasany” hoy a... More

    Koriam-penina...Tsirom-pitiavana...

    ...TSIROM-PITIAVANA... Azafady fa tsy maintsy noraisiko” hoy ianao, “nanontany mantsy izy hoe tsy mangingina ve hono ilaozan-dry dadatoa androany alina”. “Dia hoy aho hoe : ny ... More

    Koriam-penina...Orokao...

    ...OROKAO... Vao nipaika ny ora firavana dia nanao dia maika aho namonjy ny varavarana. Sady nisongona an’I Andry aho no nanao veloma madinidinika hoe: “veloma ialahy dia mazotoa miasa dia... More

    Nahoana ?????

    Nahoana no tsy voaloha ny karaman’ny fonksionera raha tsy misy ny findramam-bola avy any ivelany ? Nahoana no tsy harifomba ny toera-pitsaboana lehibe fa voatery manao évacuation sanitair... More

    Koriam-penina...Gaga ny olona...

    ...GAGA NY OLONA… Bongo masom-pifaliana no endrika nentiko nandeha niasa. Tsy tara toy ny isan’andro aho fa anisan’ireo tonga aloha teo anoloan’ny vavahady lehibe fidirana. Hi... More

    Koriam-penina...Hafatrao...

    ... HAFATRAO ... Tsy haiko na adiny firy aho na adiny firy no resin-tory teo fa nony efa nisasaka ny alina dia nivadika aho dia nianjera tamin’ny tany.  Taitra tampoka aho dia nitsangana, i... More

    Koriam-penina...Aiza ianao....

    .....AIZA IANAO.... Niezaka ny hiantso anao aho vao nirava, nefa tsy nety nahazo mihitsy .Mbola tsy tafaverina angamba ianao ilay hoe handeha hamangy ny dadabenareo any ambanivohitra na mety hoe nisak... More

    Tonga ny fotoana ijoroana

    Dimampolo taona nahazoana ny Fahaleovantena, aiza ho aiza ny Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ? Voaroaka tsy nasian’ny olona hasiny nandritry ny fihaonamben’ny Firen... More

    Koriam-penina...Antsonao....

    ...ANTSONAO... Saika tara aho, nefa sady tsy nihinan-kanina maraina, no tsy naha-pasoka akory. Revo teo am-pibanjinana ilay sarinao ka na I Andry tonga naka ahy aza tsy nahavery dia ahy. Soa fa tonga ... More

    Koriam-penina...Nofy mamy

    .....NOFY MAMY .... Tsy dia nahinan-kanina firy aho iny alina iny. Tsy nijery fahita lavitra ihany koa, naleoko nijery sy namaky ireo imailaka nifandefasantsika, nohalehibeaziko ireo sary nofantenana... More

    Koriam-penina... Isika Roa

    ... Nofihiniko ny tananao dia niara-niarina tsimoramora teo ambony fasika isika, ny fiparasaky ny fasika nokopahina tamin'ny akanjotsika sisa no hafatra napetraky tosy ho an'iny tora-pasika iny Nifa... More

    Ny tantara no aoka hitsara

    Ny Tantara no hitsara ! Asio Hasiny ireo maritiorantsika tamin’ny martsa 1947 ! Tsy azo fafana na hodiana tsy fantatra ny tantaran’ny Firenena. Indrindra ireo fotoan’andro ... More

    Antso Diso

    Hanomboka ny alarobia 04 Novambra 2009 ny fandefasana tantara ao amin'ny www.radiovazogasy.com , anisan'ny nanoratra tantara holalaovina amin"izany FX Maha koa indro ny "Tsetsatsetsa tsy aritra momba ... More

    Valin'ny soratononina tao amin'ny RadioVazoGasy

    Fisaorana no atolotra ireo rehetra nandray anjara mivantana tamin'ny soratononina nokarakarain'ny fikambanana Kolo Malagasy izay natao ny asabotsy 24 oktobra lasa teo tao Montrouge Fisaorana ihany koa... More

    Six poetes malgaches d'expression malgache

    Resadresaka momba ny boky : « Six poètes malgaches d’expression malgache »  Tsy zava-baovao eo amin’ny haisoratra malagasy ny fandikana tononkalo. N... More

    Soratonon'2009

    Hatramin’ny 7 taona nisiany, ny finaninanana sora-tononina izay karakarain’ny fikambanana Kolo miaraka amin’ny mpampianatra ao amin’ny Inalco dia nanjary isan’ireo ambohi... More

    Maeva 74

    Nandrianina Maevatiana no anarana nasalotro ny tenako eto amin’ny sehatry ny kanto. Maeva74 kosa no solon’ anarana fampiasako amin’ny fifaneraserana. “Maeva” dia teny avy... More