Ny ohabolana

Ohabolana (Proverbes). Tsy nitsontsorika avy tany an-danitra toy ny havandra na nitrebona avy tany ambanin'ny tany toy ny holatra ny ohabolana fa tandroka miaraka aman-tsofina amin'ny literatiora malagasy. Toy ny rano sy ny vary ka an-tsaha tsy mifanary ary an-tanàna tsy mifandao.
Tandra vadin-koditra anisan'ny maha-olombelona ny olombelona ny teny sy ny fitenenana. Raha mbola tsy nisy akory ny literatiora an-tsoratra dia efa nisy ny literatiora am-bava. Amin'ny maha-am-bava azy dia tsy vita an-tsoratra izy tany am-piandohana fa dia am-bava ranofotsiny. Midika izany fa ny taranaka nifandimby no nitahiry izany tamin'ny alalan'ny fampiasana azy andavanandro sy ny fampitana azy am-bava. Dia toa izany ihany hatrany. Tsy hafa fa izany no antsoina hoe lovantsofina. Ny sofina sy ny vava sy ny fitadidiana (mémoire) no tena miasa amin'izany.
Tsy mba nanana Oniversite na sekoly ambony hanovozana fahaizana sy handalinam-pahalalana toy ny amin'ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny mantsy ny ntaolo razantsika. Ny zava-boahary sy ny fiainana no namolavola sy nanefy azy nandritra ny vanim-potoana nifandimby. Porofo maneho endrika izany fahaiza-miteny sy fahaiza-mandini-javatra izany ny ohabolana
Raha rasaina ny teny hoe "ohabolana" dia avy amin'ny hoe "ohatra" sy "volana" (teny). Raha raisina ara-bakiteny izany dia toa izao : maka ohatra iray ny mpiteny hoentiny manazava amin'ny fomba azo tsapain-tànana ny tian-kambara. Ohatra iray izay tsy hafa fa sary (image, métaphore) itarihana ny mason-tsain'ny mpihaino hanaraka ny zotran-keviny, hiditra ao amin'ny tontolon'eritreriny. Tsy mitady ohatra lavitra izy amin'izany fa miainga amin'ny zava-misy fahita sy iainan'ny olona andavanandro.
Raha miteny ohatra ny ntaolo hoe : "antoandro faka ronono ka ilaozan'ny omby mihahaka" dia mazava amin'ny rehetra avy hatrany ny tian-kambara. Misy fotoanany ny zavatra rehetra. Raha variana matory maraina ny mpitery omby dia hody maina rehefa mankany an-tsaha satria efa nihahaka ny omby. Fahizay mantsy dia teny ankalamanjana na teny ankijana no matory ny omby rehefa alina ny andro. Raha mitaraikiraiky ny mpaka ronono dia tsy hahatratra ny omby eo amin'izay natoriany intsony satria efa lasa niraoka ahitra any amin'ny toeran-kafa izy ireo.
Amin'ity ohabolana ity dia ny mpaka ronono no ohatra raisina hoenti-milaza amin'ny mpihaino fa ilaina ny fahamailoana. Tsy tokony ho varimbariana na hangataka andro rehefa misy asa tiana hatao na tanjona tian-kotratrina eo amin'ny fiainana. Io no tonga amin'ny fitenenana hoe : "velezina ny vy dieny mafana". Tsy rototra loatra ilay mpaka ronono ka nifoteran'ny nataony ary "ny nenina tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa". Misongadina tokoa eto ny voka-dratsin'ny tsy fandraisana andraikitra avy hatrany. Tsy izay lafy ratsiny izay anefa no tena tian'ny mpiteny hotsindriana mafy ao amin'ny ohabolana fa ny lafy tsarany tokony ho nataon'ilay mpaka ronono nefa tsy nataony. Ny amisavisana ny ratsy, hono mantsy, mba hihavian'ny soa ka "soa kenda hahay mitsako" !
Matetika dia mpikabary no tena mampiasa ohabolana. Olona havanana amin'ny fitenenana izy ireny ary antsoina amin'ny karazam-pihetsiketsehana samihafa ao amin'ny fiainam-piaraha-monina (toy ny famoran-jaza, fanambadiana, fahafatesana). Mientanentana ery ny fo amam-panahin'ny mpihaino rehefa mandre kabary tsara rindra voaravaky ny ohabolana eny an-tsefatsefany eny. Toy ny ronono tondrahan-tantely izany ka sady mamy no fy ary mandretsidretsika ny fo amam-panahy. Mova tsy ny misy andriamby mampifanatona avy hatrany ny tontolon-tsain'ny mpikabary sy ny mpihaino. Tsy tsaroana intsony ny fandalon'ny ora sy ny fotoana fa toa mihantona eo amin'ny vavan'ny mpikabary ny maso sy ny sofin'ny rehetra.
Tsy ataotao foana ny ohabolana. Natao hifanaraka amin'ny zava-misy sy tian-kambara eo amin'ny fotoana itenenana izy ka sady ravaka sy haingon'ny fitenenana no mamehy ny fonjan-kevitra tian-kasongadina. Vokatry ny traikefan'ny teo aloha teo amin'ny fandinihan-javatra ny ohabolana ary dimbiasana sy ifandovan'ny taranaka mifandimby ka toy ny vaovao lalandava.
Fatra-pandala ohabolana ary nampiasa izany teo amin'ny fiainany andavanandro ny ntaolo razantsika. Koa na inona na inona nataony, na an-kafaliana, na an-karatsiana dia voaravaky ny ohabolana avokoa. Azo tarafina amin'ireo ohabolana samihafa ifandovan'ny taranaka mifandimby ireo ny fanahim-pahendrena tao amin'izy ireo.
Maneho fahaiza-miteny sy hakingan-tsaina eo amin'ny fandinihan-javatra ny ohabolana. Tsy fitia te hiteny fahatany anefa fa teny voalanjalanja tsara sy natao haharesy lahatra avy hatrany. Jereo ange e : "akondro iray fototra ny ambanilanitra : ny mamololon-ko raviny, akondro ihany ; ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany ; ny miendaka ho raty, akondro ihany".
Zava-maniry fahitan'ny rehetra ny akondro. Raha te haneho ny mahairay tsy mivaky ny vahoaka ny mpiteny eto dia miainga amin'ny "akondro iray fototra". Sary ihany anefa io, sarin-teny manova endri-javatra, sary mifamaly amin'ny hoe "ambanilanitra", maneho endrika azy angaha no iziizy kokoa. Voasoritra eto amin'ity ohabolana ity ny fahasamihafan'ny anjara toerana sy ny anjara asan'ny tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina sy ny tontolo misy azy. Ny asa aman-draharaha anefa no samihafa, ny fomba fiaina sy ny fomba fijery no tsy mitovy fa izy rehetra ireo dia toy ny tena iray ihany satria iray firenena. Iray vatsy, iray aina. Misy amin'izy ireo ho raviny (feuilles), misy kosa ny manondro lanitra ho voany (pousses)ary ao koa ny ho raty (écorces). Ny fitambaran'izy rehetra ireo no anisany maha-akondro ny akondro. Ilaina ny fiaraha-mientan'izy rehetra, ilaina ny fiaraha-miasan'izy rehetra. Tsy misy afaka manava-tena ho hany maha-akondro ny akondro na iray aza. Tsy ambakan'izany koa ny fampandrosoana ny fiainam-piaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay ho ravina sy ho voa ary ho raty sy ny fiaraha-mientan'ny daholobe no zotra hitondra amin'ny fampandrosoana.
"Ny firaisana no hery", hoy ny ntaolo, koa "izay mitambatra vato" ary "izay misaraka fasika". "Olona iray tsy mba vahoaka". Rehefa samy miady te ho lehibe eo amin'ny fiaraha-monina indray ny olona ka tsy mahay mifandefitra dia hoy ny ntaolo hoe : "akoholahy maro an-drova ka samy ta haneno avokoa". Ny "rova" eto dia enti-milaza toerana iray voafefy tsatoka (hazo marani-doha atsatoka amin'ny tany). Samy te ho lehibe izy rehetra ka samy miara-maneno sy mifandramatra ary mifamantsy. Iaraha-mahalala fa tsy moramora ny adin'akoholahy, tsy sangisangy fa tena ady tokoa. Tsy mitera-bokatsoa na oviana na oviana anefa ny ady an-trano. Vao mainka mandrava fihavanana aza ka tsy hahitana ny rariny. "Ny tsihy no fola-mandefitra". Ny mpiray firenena dia tokony ho toy "mpirahalahy mianala ka izaho tokiny ary izy tokiko". "Ny biby tsy manan-doha tsy mandeha" nefa raha ho lohany daholo izy rehetra dia aiza ny vatany ? Ny fitambaran'ny loha sy ny vatana anefa no maha-firenena ny firenena. Tsy mandeha ila ireo.

Raki-tsoa sarobidy ho an'ny taranaka mifandimby ny ohabolana. Santatra am-bava rano sy tsetsatsetsa tsy aritra ihany ity natolotra anareo eto ity, fa ny manetsa be mbola ho avy. Koa ny aina no matezà...

Frantsa 31 martsa 2003

Antsiva
Nalaina tao amin'ny
Jereo eto

Add a comment