Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5971.
Lasa mpifosa vao mifafa trano
jentilisa
5972.
mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
jentilisa
5973.
Tia ihany ka saro-kenatra?
jentilisa
5974.
didimaso asiam-panafody ka mahareta fa hanana ny soa
jentilisa
5975.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
5976.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
5977.
Sakay sy voan-tsiperifery ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
McFy
5978.
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina aman-kavana
McFy
5979.
Rafotsy be mihinam-boangory tokana, tapahana poritra, hanina malady lany
McFy
5980.
Manantena tsy maty toa an-dradranobe mifehy lavenona,
McFy
5981.
Omaly ianao nisolanga ho tandrony, anio ianao misafelika ho sofiny
McFy
5982.
Toy ny harefo, mahitsy ivelany fa miefitra an-kibony
McFy
5983.
Ambavany malefaka, am-pony tsy tia
McFy
5984.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka
McFy
5985.
Jinja kolokolo, ka izay tsy naleha no matevina
McFy
5986.
Mioty manta ka leony
McFy
5987.
Vivy manitrika ka bongo mason'ny nahiany
McFy
5988.
Ny voky tsy mahaleo ny tsaroana
McFy
5989.
Aza dongidongy miendrika androngo, la mandany ny tsaramasom-bahoaka
McFy
5990.
Aza tomany homana toy ny akoho kely
McFy
5991.
Ny antonony sarotr ilaina
McFy
5992.
Vary dimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily any an-katony
McFy
5993.
Maloiloim-pihavanana va ianao?
McFy
5994.
Aza atao toy ny vato tsindry ahazana, ka raha manloka ny andro atsipiny
McFy
5995.
Nahoana no fony tanora tsy niala nenina, ka efa tsipolitra antitr vao tia sangy
McFy
5996.
Didi-maso maro anaka ka tsy mahita ny efa nihinana
McFy
5997.
Aza manao ranomaso teren'ny setroka
Vetso
5998.
Mody tsy miady, tsy miady, nefa ny kibay an-kelika ihany
Vetso
5999.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
6000.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
Voalohany
Mialoha
198
199
200
201
202
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0412