Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6301.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
6302.
Ny mahihitra ihany no lany be
jentilisa
6303.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
6304.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
6305.
Tao-trano tsy efan'irery
jentilisa
6306.
Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza
jentilisa
6307.
Ny fanahy no maha-olona
jentilisa
6308.
Maro ny hazo fa ny fary no mamy
jentilisa
6309.
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
jentilisa
6310.
Akaiky vilany feno harona
jentilisa
6311.
Tapia tsy miakatr'Imerina, Amberivatry tsy midina Imamo
jentilisa
6312.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
6313.
(Aza manao) kely tsy mba mamindro
jentilisa
6314.
saro-tadiavina tahaka ny gisa mainty
jentilisa
6315.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
6316.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena itafian-damba.
jentilisa
6317.
Izay adala no toa an-drainy.
jentilisa
6318.
ny anarana tanim-boanjo ka samy mamaritra izay tiany.
jentilisa
6319.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
6320.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
6321.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
6322.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
6323.
Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary
jentilisa
6324.
Vava soa sakafo
jentilisa
6325.
Teny maro tsy ilaozan'ota
jentilisa
6326.
Rafotsibe very laona ka miandry izay igadonany
jentilisa
6327.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy tia zava-boribory intsony
jentilisa
6328.
Sahirana amin'ny zavatra tsy an-tena toy ny akoho nitarika zana-gana!
jajaf401
6329.
Lambo soso-nify ka nentim-paharazana
Fanja1
6330.
Veloma tsy mba adidy: sakafo lany tsy mba andraikitra
Fanja1
Voalohany
Mialoha
209
210
211
212
213
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981