Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 23 - 42 amin'ny 42
# Ohabolana Nampiditra
42 Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena hery
41 akohokely mifatotra mahazaka, mizaka ny tsy eran'ny aina jentilisa
40 Akohovavy maneno jentilisa
39 manao azy tsy ho tratry ny aloka ka tratry ny alok'akoho. jentilisa
38 Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy. jentilisa
37 Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana jentilisa
36 ny olona no manitsa-bazimba ka ny akoho no ahanto-doha jentilisa
35 raha avy ny loza, patsa iray tsy omby vava, tain'akoho mahatafintohina. jentilisa
34 Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany. jentilisa
33 akoho mahia misy masaka, saro-dazaina aman-kavana. ftma
32 ny akoho tsy foy tsy hita soritra jentilisa
31 Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka JMR
30 Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra jentilisa
29 Lainga marivo tototra ka hehezin'ny akoho tokan'anaka. jentilisa
28 Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina. hery
27 Volon'akoholahy lena ka ny vava no enti-manifika. aivetinakely
26 Mitsapatsapa vodin'akoho: raha tsy tay atody roscarb
25 akoholahin'Antanantanana ka ny feony fotsiny no manga fa ny volom-bodiny ringitra rindraintsoa
24 Lamban'akoho ka faty no isarahana FRanaivo
23 Faly sahirana toy ny akohokely tsipaza-potsimbary FRanaivo
 1 2 3 >