Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Lisitry ny ohabolana
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny -10 - 9 amin'ny 9
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
Alika miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena.
jentilisa
Akondro jinja hariva: raha tsy malazon'ny andro aza, mantsasaky ny alina
latina
Manaova toy ny fanirin'akondro, ny lehibe manalokaloka ny kely, ny kely manotrona ny lehibe.
aivetinakely
Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana.
ontsy
Manaova tahaka ny akondro, ny kely manotrona ny lehibe, ny lehibe manalokaloka ny kely.
aivetinakely
Akondro kely avara-tanana, ka raha avo manan-tompo.
soanja
Akondro mahia misy masaka, ka saro-dazaina amin-kavana.
soanja
"Ny voanjo ambolena misy an-toriny, ny landy aira misy an'isany, ny vary jinjaina misy amboarany, ny hisatra fehezina misy an-dambany, ny voasary voasana misy hasiny, ny akondro iray reny misy ankolafiny, ary ny savony amidy misy antsipirihany." Hainteny momban'ny varotra na fifandaminana. Ampiasaina matetika amin'ny kabary fangataham-bady.
soanja