Lisitry ny ohabolana

Mampiseho ny 41 - 60 amin'ny 60
# Daty Ohabolana Nampiditra
60 22/09/05 Andevolahy namosavy tompo, nahazo hena indray manokona fa tapa-taona miongo-bolo ihany. jentilisa
59 27/09/05 Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro McFy
58 27/09/05 Andevolahy mampirafy, ka intelo mihosin'akondro McFy
57 08/09/10 Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala. soanja
56 08/09/10 Tsindranolahy an-keniheny ka ny tama-miray ihany no miaraka. soanja
55 22/09/10 Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky. soanja
54 22/09/10 Andevolahy mampirafy, manita-draharaha. soanja
53 22/09/10 Manambitamby lava, toy ny manana andevo tokana. soanja
52 22/09/10 Toy ny andevo tompoi-manompo. soanja
51 22/09/10 Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asai-manao tsy mety, nony tsy irahina, manao. soanja
50 22/09/10 Aza mikapa sakaiza hoatra ny andevolahy homan-tain-jiro. soanja
49 22/09/10 Aza miraikiraiky toy ny andevom-behivavy. soanja
48 22/09/10 Aza manao lamban'andevo ka tsy harahana. soanja
47 22/09/10 Ny vitsy andevon'ny maro. soanja
46 22/09/10 Ny andevolahy kapila voahitsaka, ny andevovavy vomanga an-kotrika. soanja
45 22/09/10 Ny mpanompo voananana, ka aha kasihana poritra. soanja
44 22/09/10 Madio midina, toy ny andevo manasa lamban'Antananarivo. soanja
43 22/09/10 Andevolahy mianala; ka ny hazon'andriana tsy tonga, fa ny fanoto no lanjalanjaina. soanja
42 22/09/10 Miady amin'ny andevo ka fahavizanana no hita. soanja
41 22/09/10 Tsy atakalo , tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana. soanja