Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 25 - 44 amin'ny 44
# Ohabolana Nampiditra
44 Boka mihinan-kitoza ny fihinana lavorary fa ny manala kaka no ady mafana jentilisa
43 Boka mihalo-poza, mipaka ihany fa tsy mitondra jentilisa
42 mpamosavy namosavy boka ka matin'ny olon-dratsy ny olo-tsy vanona. jentilisa
41 Matin-kenamaso, ka mihinam-barim-boka hery
40 Boka mihinan-kitoza ka ny fihinanana dia lavorary fa ny fanalana kaka no ady mafana. panjakely
39 aza manao toy ny boka manjono : mifamitaka samy malama zouzou
38 boka mihinan-kitoza : ny fihinanana no lavo rary, fa ny manala kaka no ady mafana zouzou
37 boka mihalo-poza : mipka ihany fa tsy mitondra zouzou
36 boka mihinan-kitoza, eo ampihinanana velon-korana fa eo am-panalana kaka no ady mafàna gotsolahy
35 Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay latina
34 boka mitoraka Alahamady, ka hitan'Andriamanitra ny tarehiny latina
33 boka mivaron-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan'ny mpivarotra no mampalohiloy latina
32 Ilay boka sy ny odiny: Ny tarehiko anie efa simba, fa ny hataonao no sisa latina
31 lambam-boka, ka izay sahy no mindrana latina
30 bokalahy lavo an-tany mena, ka tafarina vao mingoso anabavy latina
29 Bokalahy lavo amin-karavola: ka kibo no enti-manarina latina
28 Ny boka indray no mahantra: velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana latina
27 Boka tsy namosavian-kavana ohatry ny mananasy latina
26 boka mitohy rofia, ka manasaritaka ny efa milamina latina
25 tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana latina
 1 2 3 >