Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 0 - 19 amin'ny 59
# Ohabolana Nampiditra
19 Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matom-periny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra. latina
18 Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany. niryna
17 Maimay hivady ka dodona hisaraka. niryna
16 Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana. niryna
15 Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo. aivetinakely
14 Tsy misy zavan-tsy zaka tahaka ny fanambadiana natao an-terisetra. aivetinakely
13 Ny anambadian-kiterahana, ny iterahan-ko dimby. aivetinakely
12 Ny anambadian-kiadanana, ny iterahan-ko sambatra. aivetinakely
11 Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao. niryna
10 Mifosa tena toy ny mifosa vady niryna
9 Tsy misy mahamenatra toy ny mitaribady tsy lasa vodiondry niryna
8 Ny fanambadiana fihafiana ; izay tofoka aloha no kaikeri-nenina. aivetinakely
7 Aza manambady noho ny volany, fa mora kokoa ny mihindrana raha izany niryna
6 Kely tratry ny sarotra hoatra ny misao-bady tezitra niryna
5 Manambady vehivavy amin'ny antsaran-tarehiny dia toy ny mividy trano noho ny lokony fotsiny niryna
4 Ny vokatra azo ateraky ny fanambadiana ao amin'ny lehilahy dia ny fahanginana niryna
3 Ny mariazy volamena no zavatra hita mitsongadina ao amin'ny fanambadiana niryna
2 Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony. aivetinakely
1 Arahabarabao reny foza fa tsy fantatra izay ho rafoza. litakelinineny
 < 1 2 3