Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 269 - 288 amin'ny 368
# Daty Ohabolana Nampiditra
288 15/09/07 Maitso foana ny ahitra eny an-jaridainan'ny olona. niryna
287 15/09/07 Izy mihevitra hiasa tsara dia tsy maitsy mandrangitra ny fitaovany. niryna
286 15/09/07 Izay tia ny tenany dia tsy mba hanam-pahavalo niryna
285 15/09/07 Ny filalaovana sy ny asa tsy miaraka. niryna
284 15/09/07 Ny hazo avo halan'ny rivotra, kakazo mirona tsy lavon-drivotra. niryna
283 15/09/07 Aza milanjalanaja toy ny akoho mihinam-biby niryna
282 15/09/07 Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany niryna
281 15/09/07 Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa niryna
280 15/09/07 Toy ny haloky ny tarehy eo amin'ny rano ny fo, izay havoakan'ny vavanao no maha hianao anao. niryna
279 15/09/07 Ny lela dia maranitra mandratra na malefaka manome tso-drano. niryna
278 15/09/07 Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra niryna
277 15/09/07 Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy. niryna
276 15/09/07 Trano takatra ka izay mandrava azy mialoha no boka niryna
275 20/09/07 Ny hana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafatsy raha tsy mahavoa mahafanina niryna
274 20/09/07 Toy ny mamoaka omby tokana, vao mitehin-doha dia tapitra. niryna
273 20/09/07 Solafa omen-tehina, potraka omen-kiraro niryna
272 20/09/07 Solafaka omen-tehina, potraka omen-kiraro niryna
271 24/09/07 Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina. niryna
270 24/09/07 Ny hazo avo halan'ny rivotra. niryna
269 24/09/07 Sokiny nanani-bato ka tapa-dalan-kaleha niryna
First  < 3 4 5 6 7 >  Last