Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 96 - 115 amin'ny 115
# Ohabolana Nampiditra
115 Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona : hatonina, manalavitra,halavirina manatona hery
114 Ny olombelona toy ny embok'akondro : raha manondro ny lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny lafiny. hery
113 Aza manao fihavanan-karena, ka tomany handratra ny sasany hery
112 Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka hery
111 Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny maito tohizana. lanto
110 Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana. lanto
109 Aza manao fitia rano trambo : be fihavy fa mora lasa. lanto
108 Miditra amin'ny kiloadoaka dia mivoaka amin'ny makarakara tomgas
107 Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana hery
106 raha tohina ny aty marary ny afero jentilisa
105 Ny fihavanana tsy azo vidiana McFy
104 Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila McFy
103 Ny fihavanana ohatra ny landy, maty isika ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro McFy
102 Fitia tsy mivaly mahafohifohy saina McFy
101 Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby. jentilisa
100 aleo mifanao sarotra hihavanana amin'ny ela toy izay mifanao mora hiadiana amin'ny farany jentilisa
99 Ny ratsy fo tsy mba manan-kavana. ftma
98 Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon'alahelo, ny havana no itarainana. ftma
97 Maloiloim-pihavanana va ianao? McFy
96 ny fihavanana dia rano be mamono afo ftma
 1 2 3 >  Last