Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 102 - 121 amin'ny 121
# Ohabolana Nampiditra
121 Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary jentilisa
120 Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina Corice
119 Ny tarehy ratsy tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana jentilisa
118 Vanda-miamboho toa mpihatsaravelatsihy, ny fihodin'ny masony no amantarana azy. aivetinakely
117 Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy Malalason
116 boka mangala_boatavo mifampitolona samy malama dadou
115 Raha laza no ilaina, tsy ny ditra no hifaninanana ! tsikomen
114 Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy. latina
113 Ny atao toy ny salaka: soa atao, manodidina, ratsy atao manodidina latina
112 Ny hery tsy mahaleo ny fanahy latina
111 Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy latina
110 Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. latina
109 Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. latina
108 Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo: tsy maty, fa malazo. latina
107 Izay mahavangivangy tian-kavana, ny malemy fanahy tratra am-parany. latina
106 Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana. latina
105 Tsy nisy soa ohatry ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho. latina
104 tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana latina
103 Ny kibo no be eritreri-dratsy, ka ny vava no mahazo loza latina
102 akofam-bary, tsy menatra izay hiankandrefana latina
 1 2 3 >  Last