Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 182 - 201 amin'ny 281
# Daty Ohabolana Nampiditra
201 29/05/08 Manan-jara ny eny Ilafy fa manana an'Ambohitrarahaba ho famantanana ! ontsy
200 13/06/08 Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao. niryna
199 04/10/08 Tsy ny aty ivelany no hitarafana ny olona fa ny teny avoakany ao anatin'ny vavany niryna
198 11/11/08 Sarotiavina toa tain-delo Riella
197 27/01/09 Ny feno tsy mikobana, ny foana no manakoako. aivetinakely
196 29/01/09 Tsara rafi-batana, tsy misy halemem-panahy, manintona fijery fa tsy mahazaka havam-bady. aivetinakely
195 04/02/09 Aza atao toy ny tahom-boanjo nahitàna fa ataovy tahaka ny reny ka tototry ny valim-babena. aivetinakely
194 04/02/09 Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso. aivetinakely
193 10/02/09 Aza varimbariana ny lavitra ka tsy mahita ny ambany maso mamiratra. aivetinakely
192 11/02/09 Raha malahelo, mitrakà hijery masoandro, raha kivy mandehàna mandinika ny volana. aivetinakely
191 14/02/09 Maika handroso avara-patana ka ny fomban-tany hadino. aivetinakely
190 12/03/09 Manintona maso tahaka ny vehivavy fotsy, fa tsy mahatsindry ny manjamanja. aivetinakely
189 05/04/09 Raha mahahitsy ny tenanao hianao dia tsy hanitsy anao intsony ny hafa niryna
188 05/04/09 Ny àmbany no tsy tanty fa rehefa mihatra zaka ihany. aivetinakely
187 06/04/09 Izay manolotra ny tava ho tratry ny masoandro dia efa manantena ho may niryna
186 06/04/09 Tsy hampiova na inona na inona ny resaka raha tsy atao amin'ny fihetsika niryna
185 06/04/09 Mora ny miteny fa sarotra ny mamita hafatra niryna
184 06/04/09 Midofaka ranomanitra, ka ny fofona no manintona fa tsy ny endrika. aivetinakely
183 06/04/09 Tsy ho abado mandrakizay aho ka harian-dia amindramatoria lava. aivetinakely
182 06/04/09 Mahandrasa fa rehefa lasa voangory aho, hitazantazana anao. aivetinakely
First  < 3 4 5 6 7 >  Last