Lisitry ny ohabolana

Search ohabolana
Mampiseho ny 25 - 44 amin'ny 44
# Daty Ohabolana Nampiditra
44 17/09/05 Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza jentilisa
43 17/09/05 Valala tsy azo tsy atolo-jaza! jentilisa
42 22/09/05 Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany. jentilisa
41 23/09/05 izay iray zaza no iray tafasiry jentilisa
40 23/09/05 Naniry zaza ka tera-dahy jentilisa
39 25/09/05 Tsy misy mamy ohatry ny zaza fa raha manaikitra ny nono akifika hery
38 26/09/05 Aza mivoaka miditra toa lelon-jaza JMR
37 28/09/05 Ny zaza toy ny rano am-pasika, izay amiliana azy no andehanany JMR
36 28/09/05 Aza mahajery voa-mason-jaza JMR
35 30/09/05 lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy. jentilisa
34 30/09/05 manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo jentilisa
33 30/09/05 mpandany ny azo tahaka ny zaza mpandova jentilisa
32 30/09/05 Tsy mahavaly fitia toa zaza jentilisa
31 05/12/06 sakodidin jaza, olom-be fanina gozonel
30 15/05/08 Toy ny zaza nomena ontsy ka dia nihinana. ontsy
29 17/03/07 Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo niryna
28 03/05/07 Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza. aivetinakely
27 14/05/07 Maniraka zaza tsy nateraka ka mahabe vatan'orona. aivetinakely
26 05/06/07 Zaza teraka alina, hafa ny ao ampony hafa ny ao ampoko. aivetinakely
25 08/06/07 Tsy misy mamy tahaka ny zanaka, fa rehefa manaiki-nono ahifika. aivetinakely
 1 2 3 >