Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
BEDOGAIGY
Hampiditra ohabolana
-29.
Aingaingao rey volom-body fa ny elatra hanidinana no tsy misy.
BEDOGAIGY
-28.
Aingaingain-kazera sahala amin' ny famono vato.
BEDOGAIGY
-27.
Adala ny manina ka ny tompo-bady no hafarana.
BEDOGAIGY
-26.
Aingaingain-kazera, toy ny fively fandraka.
BEDOGAIGY
-25.
Aina ity hoy Rainimanonja.
BEDOGAIGY
-24.
Ahoana no reraka am-pototry ny sompitra?
BEDOGAIGY
-23.
Ahoana izany? hoy Ramarenina, kanjo tsy mba nandre izy.
BEDOGAIGY
-22.
Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry!
BEDOGAIGY
-21.
Afo lavitra tsy azo amindroana.
BEDOGAIGY
-20.
Afoizo aho raiko tsy hiasa, hoy ny taim-piraka.
BEDOGAIGY
-19.
Afatotra maninton-tady, ampandehanina tsy afaka.
BEDOGAIGY
-18.
Afa-nenina hoatry ny manabady momba manala ratsiaina.
BEDOGAIGY
-17.
Afa-nenina hatrany an' ala lava, ka hatrany an' ala fohy.
BEDOGAIGY
-16.
Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato.
BEDOGAIGY
-15.
Afa-baraka toy ny vomanga an-tan`ana, fa ny akoho no avy mihehy.
BEDOGAIGY
-14.
Ady varotry ny mananontena, ka raikitra vao toran-kovitra.
BEDOGAIGY
-13.
Ady tsy tra-mampahery vava.
BEDOGAIGY
-12.
Ady tsy tra-maha-Rangahy.
BEDOGAIGY
-11.
Ady tsy ahi-mahatratra.
BEDOGAIGY
-10.
Ady lova, ady fananana, fa tsimbino ny fihavanana.
BEDOGAIGY
-9.
Ady amin' adala, ka ny hery no miala.
BEDOGAIGY
-8.
Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina.
BEDOGAIGY
-7.
Adin' ombalahin' ny mpianakavy : ny mahery tsy hobina ny resy tsy horakorahina.
BEDOGAIGY
-6.
Adin-kisoa no misy atolak' orona.
BEDOGAIGY
-5.
Adin-kisoa, ka samy mandoa vory ihany na ny resy na ny maharesy.
BEDOGAIGY
-4.
Adin-kisoa, ka poritra vao manasa vangy.
BEDOGAIGY
-3.
Adin-jamba ka izay vonona no afitsoka.
BEDOGAIGY
-2.
Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.
BEDOGAIGY
-1.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
0.
Adala vady renianaka, ka mirakitra an-karon-doa-body.
BEDOGAIGY
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0646