Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
781.
Tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato.
aivetinakely
782.
Ny takatra no fisa-doha, matory amorom-parihy, ny vano no lava tenda, maditra olom-pehezina, ny tsintsina no kely fingo, ny isandahy no tsy zaka.
aivetinakely
783.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
784.
Loza ho andRakalamomba fa misambo-balala ho an-janak'olona.
aivetinakely
785.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
786.
Zatra ny lalan-dririnina ka manao hitsin-dalana fahavaratra.
aivetinakely
787.
Vorombe minia misotro vitsika, vilany be sisa sasàna.
aivetinakely
788.
Mamantana tany foana tahaka ny havandra ririnina.
aivetinakely
789.
Lanom-boka, tafita vao rendrika.
aivetinakely
790.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
791.
Vita ho azy tahaka ny karatr'i Naivo, i Naivo tsy nanatitra, ny fanjakàna tsy nitaky.
aivetinakely
792.
ny vehivavy dia tokam-po tahaka ny siny, tsy manampo afa-tsy rano.
aivetinakely
793.
Reniranon'i Betsiboka, tondraka sasak'alina fa ritra maneno akoho.
aivetinakely
794.
Rafotsibe misika fary, ny natao hahamandomando ny tenda indray no nampiendaka ny akanjon'ify.
aivetinakely
795.
Tsara tarehy petak'orona, voatondro iray no tsininy.
aivetinakely
796.
Valolahin'Ambohimanga, mitanina andro tsy hàraka, milevina tsy lo.
aivetinakely
797.
Na lehibe tahaka ny vato aza, rehefa tsy miteny itaingenam-borona.
aivetinakely
798.
Androngo manetsa, mandro matetika vao mavo lamosina.
aivetinakely
799.
Manaova toy ny fanirin'akondro, ny lehibe manalokaloka ny kely, ny kely manotrona ny lehibe.
aivetinakely
800.
Dian'omby an-koraka, ka izay ombàn'ny tànany no diavin'ny tongony.
aivetinakely
801.
Zanahary nanao ny voay, tsy izay hahatsara azy fa izay hampateza azy ihany.
aivetinakely
802.
Manalasala tahaka ny katsaka, atao ho vavy toa misy volom-bava, atao ho lahy toa mibaby.
aivetinakely
803.
Akoholahy mikokokoko akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana.
aivetinakely
804.
Aleo joko miha-solanga toy izay solanga miha-joko
aivetinakely
805.
Aaovy toy ny fihavana-molotra sy tànana, raha maharary ny molotra manafosafo ny tànana, raha may ny tànana mitsoka ny vava.
aivetinakely
806.
Aleo mandefitra ho mandina tahaka ny laditra, toy izay mivongovongo ho maina tahaka ny lohalika.
aivetinakely
807.
Ny hazo no mijoalajoala, ny fakany no tsara famikitra, ny trano no meva fijoro, ny fototra no tsara rafitra.
aivetinakely
808.
Na maika tahaka ny inona aza dia tsy fanao ny mitetika ravitoto.
aivetinakely
809.
Tsy mihaona tia betrobetroka toa vorontsiloza, na mifandray tia harikarika toa tanalahy.
aivetinakely
810.
Hazo an-kadilànana ka tenain-drivotra irery.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
25
26
27
28
29
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244