Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
bobone
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy mba tahaka ny dingadingana an-kady ka sady iva no vasoka, fa tahaka ny hasin'Ambatomiantendro ka sady avo no mandina
bobone
-28.
brĂ´ne niaraka ihany dia sola ve vao hifanary?
bobone
-27.
tonga vahiny fahavaratra, , ny mandoto trano indray no tolorana sakafo
bobone
-26.
manahirana tahaka ny labozia amidy mafana andro afenina tsy hitan'ny olona, atranga miempon'ny hafanana
bobone
-25.
sasam-poana toy ilay mpanao zaridaina niompy ankoho
bobone
-24.
be vava nanjono pirina ; pirina no azo ka amalona no lazaina fa nanapa-tady
bobone
-23.
Tonga amin'ny ilana azy toy ny be vava miantso vonjeo
bobone
-22.
manaitra ny mpiray efitra toy ny be vava mamangy marary
bobone
-21.
be tenda miantsena, ny tsy lasa an-karona alefa an-kibo
bobone
-20.
sakaiza manody, sakaizan-drafilahy
bobone
-19.
ataovy toy ny sira ny fitondrana havana, mahery tsy mahafola-nify, malemy misy hitelemana fa ny havana no lelafin-katelina
bobone
-18.
kamboty tia toaka ; ny harena lany, ny tena tsy misy mananatra
bobone
-17.
mpanefy tokan-tena ka sady mifofotra no mively vy
bobone
-16.
zoky toavina tsy andriana, zandry manoa tsy andevo
bobone
-15.
manalasala tahaka nybe taona mandoko volo jerena eo aloha toa miketron'andrina jerena ao afara toa demozely maintso volo
bobone
-14.
Ny tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra, ny lohasaha tsy mihoatra ny lempona fa raha avo ihany tsy misy ohatra an'Andriamanitra
bobone
-13.
Ny fitiavana dia tahaka ny vonin-draozy mivelatra maraina ka izay miraparapa haka azy dia voatsindrona
bobone
-12.
aza mamahan_dalitra tahakan'ny mpanao ronono an_tavy
bobone
-11.
Sira latsaka an-drano ka mamoy no mety
bobone
-10.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nahazo katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
-9.
Faly sahirana tahaka ny masikiny nihinan_katsaka, ny kibo voky eo ihany fa ny lakatim_bava no vizana
bobone
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146