Ohabolana nampidirin'i hery

Search ohabolana
Mampiseho ny 162 - 181 amin'ny 221
# Ohabolana Nampiditra
181 Ataovy fitian-dranon'erika: madini-piavy fa mahatondra-drano hery
180 Akoho mikotrika atodim-borona, ka miongo-bolo amin'ny tsy ho an'ny tena hery
179 Vitsika nahazo valala : tonga ny entana fa ny vava no tsy omby hery
178 Aza manao toy ny jorery : ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava. hery
177 Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony hery
176 Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana. hery
175 Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana. hery
174 Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran- tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy hery
173 Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso hery
172 Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany. hery
171 Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. hery
170 Aza manao kitapo hamelana ny lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka hery
169 Tandremo ny hanan-drariny ; fa ny olombelona toy ny tsingala sy ny dinta, ka saromifanaikitra hery
168 Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka; ary raha ketrahina miboraka hery
167 Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra hery
166 Ny mahery tsy maody tsy ela velona hery
165 Tsy mba ny tsy avy no andrasana, fa ny vono-kalaina hery
164 Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika hery
163 Mpirahalahy mian'ala, ka izy tokiko, ary izaho tokiny hery
162 Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanakonana hery
 < 1 2 3 4 5 >  Last