Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
jefra
Hampiditra ohabolana
-29.
Mahihitra an'ombika ka mantsin-kena.
jefra
-28.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana.
jefra
-27.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
-26.
Aza mitomany hena momba famaky.
jefra
-25.
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana.
jefra
-24.
Bekibo mahihitra, ny an'ny olona ihany no tadiaviny hamenoana azy.
jefra
-23.
Raha lany harena, lany haingo.
jefra
-22.
Tsy miteny fa vola baoritra.
jefra
-21.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
-20.
Ny vola Ramangakatsahina, ny aina Ramangatahiana.
jefra
-19.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy!
jefra
-18.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
-17.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
-16.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana.
jefra
-15.
Ny roa no tsara noho ny iray, raha lavo misy mpanarina.
jefra
-14.
Ny vitsy lanin'ny vitsika.
jefra
-13.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
-12.
Aza manao bekibo mahihitra.
jefra
-11.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
jefra
-10.
Aza manao kobaka am-bava, volagna atenda, ka hatreo no miakatra ihany.
jefra
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0926