Ohabolana nampidirin'i lanto

Search ohabolana
Mampiseho ny 40 - 59 amin'ny 59
# Daty Ohabolana Nampiditra
59 25/03/07 Mihomehy lavo aza misy todiny. lanto
58 25/03/07 Ny kianja no tsy anaovan-dratsy ny lalao mbola ho ela. lanto
57 25/03/07 Vilagny misarogna dekoa misy raha. lanto
56 25/03/07 Loharano tsy tetezin-doha. lanto
55 20/03/07 Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady. lanto
54 06/03/07 Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina. lanto
53 26/03/07 Aza matoky fitiavana ka hitanjaka imasom-bady. lanto
52 16/12/06 Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro. lanto
51 13/09/05 Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany. lanto
50 13/09/05 Ny olombelona ohatra ny ladim-boatavo : raha fotorana iray ihany. lanto
49 13/09/05 Ny omby indray mandry tsy indray mifoha. lanto
48 13/09/05 Ny handrina no tsy maniry volo, ny henatra. lanto
47 13/09/05 Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga lanto
46 13/09/05 Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga. lanto
45 13/09/05 Ny faniriana tsy takatry ny vintana. lanto
44 13/09/05 Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana. lanto
43 13/09/05 Ny atao toy ny salaka : soa atao, mihodidina; ratsy atao, mihodidina. lanto
42 13/09/05 Ny hery tsy mahaleo ny fanahy. lanto
41 13/09/05 Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy. lanto
40 13/09/05 Izay mahavangivangy tian-kavana. lanto
 1 2 3 >