• Serasera
  • Namana
  • Tononkira
  • Tononkalo
  • Radiovazogasy
  • Antsary
  • Bizna

Fanoroam-pejy

  • Fandraisana
  • Handray email
  • Amin'ny takelakao
  • Fanoroana
  • Soso-kevitra
  • Fanazavana kely
  • Fidirana

Ohabolana

  • Hampiditra ohabolana
  • Lisitry ny ohabolana
  • Lisitry ny sokajy

Ohabolana nampidirin'i lanto

Search ohabolana
Mampiseho ny 0 - 19 amin'ny 59
# Daty Ohabolana Nampiditra
19 13/09/05 Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lelako tsy ataoko jono. lanto
18 13/09/05 Soro-baton'ilay jamba, ka voa vao mihilana. lanto
17 13/09/05 Mahery tsy maody tsy ela velona. lanto
16 13/09/05 Soa kenda hahay mitsako; soa lavo hahay mamindra. lanto
15 13/09/05 Matin-kena-maso, ka mihinam-barim-boka. lanto
14 13/09/05 Ny nenina tsy aloha fa aoriana. lanto
13 13/09/05 Ny nenina tsy mipetraka hatao Mbay làlana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa. lanto
12 13/09/05 Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka. lanto
11 13/09/05 Na amboako na amboan'olona, izay vandana dia kary. lanto
10 13/09/05 Valala voatango ka very fanahy mbola velona. lanto
9 13/09/05 Tanana havia sy havanana, ka izay didiana maharary. lanto
8 13/09/05 Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato. lanto
7 13/09/05 Ny manantena tsy misy no sarotra, fa ny mamoy mora foana. lanto
6 13/09/05 Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra! lanto
5 13/09/05 Ny kary no manao izay ataony, ka ny saka no voatapa-drambo. lanto
4 13/09/05 Vava kisoa misy sira: ka tokinao hihinana azy. lanto
3 13/09/05 Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena. lanto
2 13/09/05 Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo. lanto
1 25/03/07 Varotra alika tsy ifanerena. lanto
 < 1 2 3
Concept and Design © Serasera.org: Eugene Hery  RSS
Tel +39 338 744 2412 (Italie)
Page rendered in 0.0417 seconds