Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
marozevo
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny hazo no voatoratoraka dia noho ny voany
marozevo
-28.
Tsy misy dondrona toy ny kisoa, fa rehefa tezitra manondro molotra.
marozevo
-27.
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny, anaovan'ny vorona maloto.
marozevo
-26.
Ny hitsitokotokoan'ny lohany, hahasamihafa ny heviny
marozevo
-25.
Ny hena masaka mahavelona, fa ny henamaso mahafaty
marozevo
-24.
Ny tehina entin-dray aman-dreny, ny teny entin-joky, fa ny entana entin-jandry
marozevo
-23.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
-22.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
-21.
Raha mpifankatia tsy miresaka, hono, very ny androan-tokom-pitiavana.
marozevo
-20.
Na ilaina aza ny sangy, ny tain'amboa tsy hifampitorahana
marozevo
-19.
Lany matsatso toy ny siran-dRamahihitra
marozevo
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.103