Ohabolana nampidirin'i niryna

Search ohabolana
Mampiseho ny 804 - 823 amin'ny 823
# Daty Ohabolana Nampiditra
823 26/02/12 Ny vola aman-karena no afaka robaina fa tsy ny fahaizana. niryna
822 26/02/12 Leom-boanana ka tsy te hierika zava-boribory. niryna
821 26/02/12 Toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena, hialofana. niryna
820 26/02/12 Manan-tsira ka mahay mahandro. niryna
819 26/02/12 Hilela-maina aza ataony, ka maika fa molotra misy tantely. niryna
818 26/02/12 Arivo tatatra ,zato renirano;ny faran'ny rano Ikopa ihany. niryna
817 26/02/12 Ny fanekena eo amin'ny fifanjofoan-javatra mitranga no mahatonga toetra . niryna
816 26/02/12 Andriamanitra tsy manontany izay mety ho vitanao na tsy vitanao fa kosa mijery ny fahavononao Izy. niryna
815 26/02/12 Ny toetranao sisa no tavela rehefa very avokoa izay maha hianao anao. niryna
814 26/02/12 Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao. niryna
813 26/02/12 Ny olombelona toy ny akondro,raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha mihondrika, samy manana ny lafiny . niryna
812 26/02/12 Ny vola aman-karena no afaka robaina fa tsy ny fahaizan. niryna
811 26/02/12 Aza ny havana no asian-dratsy; fa tsy ho tratry ny hafa tsy akory. niryna
810 26/02/12 Ny tsinay tsy mba vatsy,ny kibo tsy mba lamosina niryna
809 12/12/11 Aza matory tsy manana eritreritra niryna
808 12/12/11 Tsy misy tsara hoatra ny fanambadiana mifanaraka niryna
807 12/12/11 Mitombo an-dalana hoatra ny dian'andriana. niryna
806 12/12/11 Ratsy tarehy ambinin-doza ka mikarakara vao tsara. niryna
805 12/12/11 Ny ho avy dia ho an'ireo izay efa namisavisa sy nieritreritra izany niryna
804 12/12/11 Tsara ny mahay zavatra iray noho ny mahaihay zavatra maromaro. niryna
 1 2 3 >  Last