Ohabolana nampidirin'i niryna

Search ohabolana
Mampiseho ny 739 - 758 amin'ny 758
# Ohabolana Nampiditra
758 Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza niryna
757 Manao toy ny Bezanozano,ka ny vavy indray no feno lovia niryna
756 Voanemba mitsipika an-joro ,tsy very fa maka toerana . niryna
755 Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola niryna
754 Aleo lozabe ahombiazana toy izay malemy tsy azo niryna
753 Tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa mivandravandra mampatahotra toy ny tanalahy niryna
752 Fisaka ny marina ka saro-patarina niryna
751 Mihazakazaka tratry ny miadana toy ny bitro sy ny sokatra niryna
750 Ny fihavanana ve? alavirina izy manantona, ankekezina izy mandositra niryna
749 Aleo vandana imaso toa izay kary afenina niryna
748 Aza manao baby roa toa katsaka niryna
747 Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara niryna
746 Vangavanga manan'endrika, sadasada manan-tsoratra niryna
745 Totohondry diavolana, ny mazava iray ihany no voa niryna
744 Mitondra entina hoatra ny tongotra niryna
743 Tsy misy fetrany ny fanantaterahan-javatra raha toa ka tsy misy ny vokany sy ny ezaka ao anaty niryna
742 Raha nomen'Andriamanitra antsika avy izay tadiavintsika dia efa nesoriny sahady ny zavatra tsara ambony indrindra amintsika niryna
741 Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy niryna
740 Ny alika no miverina amin'ny malotony, ny mpangalatra no miverina amin'ny toerana nangalariny fa ny hendry kosa vao maika mitombo fahendrena niryna
739 Tsy misy afaka itehaka amin'ny tanana iray niryna
 1 2 3 >  Last