Ohabolana nampidirin'i niryna

Search ohabolana
Mampiseho ny 719 - 738 amin'ny 758
# Ohabolana Nampiditra
738 Ny feon'ny fieritreretana dia madio rehefa mbola tsy nampiasaina niryna
737 Izaho angaha voangaly ka ho faty an-kazo tokana niryna
736 Aza manao voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alam-bolom-bava niryna
735 Trafon-kena ome-mahery:am-bava homana, am-po mieritreritra niryna
734 Na avy aza ny herika dia mafana foana ny andro amin'ny mpifankatia niryna
733 Raha vao miakatra ny fahatezerana, dia saintsaino ny vokany niryna
732 Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa niryna
731 Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy niryna
730 Adino daholo ny hevitra mahasoa amin'ny fotoana ilaina azy niryna
729 Tsy misy manome hevitra tonga lafatra raha tsy ny tenanao ihany niryna
728 Ny olon-dratsy no matetika manolotra toro-hevitra tsara niryna
727 Ny tena mahery fo dia tsy mitady satroboninahitra niryna
726 Izay tsy itan'ny maso dia mora adinon'ny saina niryna
725 Ataovy toy ny dian'ny tanalahy ny fiainana, mandroso in-droa dia mihemotra in-dray mandeha niryna
724 Tsy fantatro loatra izay mahatafita ny olona fa raha te ho rendrika hianao dia omeo fahafapo ny rehetra niryna
723 Ny antitra dia manome toro-anatra tsara raha toa ka tsy mampiseho ny fahazaran-dratsiny intsony niryna
722 Ny fihavanana dia toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana niryna
721 Miloloha lanitra ka tsy maintsy lena, mandia tany ka tsy maintsy solafaka niryna
720 Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana niryna
719 Vao aho tsy manitra ka rehefa lasa aho vao hoe mamerovero niryna
 < 1 2 3 4 >  Last