Ohabolana nampidirin'i niryna

Search ohabolana
Mampiseho ny 697 - 716 amin'ny 756
# Ohabolana Nampiditra
716 Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana niryna
715 Toy ny parakin'Amboatany:misy ihany fa mampandozaina niryna
714 Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena niryna
713 Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hiavo-tena niryna
712 Efa lany rambo toy ny jono indray alina niryna
711 Ny mpamendrofendro no betsaka fa ny tompony mahazaka ihany niryna
710 Ny adalan'ny olona hihomehezana fa ny adalan'ny tena kosa tafian-damba niryna
709 Raha mety ny atao, ny saobakaka aza mampidi-dranoketsa, fa raha tsy mety kosa ny atao, ny tain'omby aza mampianjera niryna
708 Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa niryna
707 Ataovy hanatra imaso ifanatrehana: fa raha takona tonga fosa niryna
706 Toy ny sakay pilokely ka ho hano aho hinanako anao niryna
705 Raha miady izahay sy ny azy tsy aleon'ny naterany niryna
704 Toy ny famaky mijinja hazo: ka ny ahy momba ny azy niryna
703 Toy ny jiafotsy ny fihavanana: raha vao mikasokasoka, raha tonta misy romoromony niryna
702 Aleo meloka amin'olombelona toy izay meloka amin'Andriamanitra niryna
701 Ny fiainana ihany no atao hoe fiainana, ny herimbaratra ihany no mamaoka herimbaratra, ka ny fahafantaranao anao dia mampanakarena anao irery niryna
700 Izay sahy maty ihany no mifono lambamena niryna
699 Ny eritreritra no avo indrindra toy ny papango rivotra izay misidina avo dia avo niryna
698 Antomondava toy ny fandrosoana niryna
697 Salasala toy ny tongotry ny mpanihika sady manosika no mamerina niryna
 < 1 2 3 4 5 >  Last