Ohabolana nampidirin'i soanja

Search ohabolana
Mampiseho ny 446 - 465 amin'ny 465
# Daty Ohabolana Nampiditra
465 08/10/10 Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra. soanja
464 08/10/10 Tsy ho rovi-damba ririnina anie isika mianakavy, tsy ho vaky vovonana fahavaratra, tsy ho vilam-bava vokatra ovy, tsy ho petakorona voky sifotra, tsy ho fotsy volom-bava voky ronono fa ho ampoky ny soa sy ny tsara. soanja
463 08/10/10 Toy ny rano eny am-body vondrona ka tsy ilaozan'ny soa sy ny manan-jara. soanja
462 08/10/10 Akanga mandalo vorombola, ka mipoitra tsanga saingy ambanian'ny olona. soanja
461 08/10/10 Vano ambalam-parihy, ihany mantsy aho, ka raha tazinina toa avo dingana, hatonina kely fingotra. soanja
460 08/10/10 Tsy sitrapon'ny antsy ny hikapa ny taola-mahery, fa asesiky ny tana-mandrasa. soanja
459 08/10/10 Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha. soanja
458 08/10/10 "Ny manta ambilany mila mpahandro, ny masaka an-tokonana mila mpandoatra, ny voaloatra an-dovia mila mpampandroso." soanja
457 08/10/10 "Ny voanjo ambolena misy an-toriny, ny landy aira misy an'isany, ny vary jinjaina misy amboarany, ny hisatra fehezina misy an-dambany, ny voasary voasana misy hasiny, ny akondro iray reny misy ankolafiny, ary ny savony amidy misy antsipirihany." Hainteny momban'ny varotra na fifandaminana. Ampiasaina matetika amin'ny kabary fangataham-bady. soanja
456 08/10/10 Tsy vorombazaha tsy enina akory aho, ka hitelim-bato madinika. soanja
455 08/10/10 Maro ny valala fa ny ambolo no tsara soratra, maro ny omby fa ny sada no meva. soanja
454 08/10/10 Tsy satrim-parihy hitera-potaka, ao ihany raha manakobana. soanja
453 08/10/10 Tanalahy ambony hazo ny vintana, miova volo nony misy zaza misioka. soanja
452 08/10/10 "Sitrany ahay vaza-mihetsika", hoy ilay lambo mitsako moka. soanja
451 08/10/10 Varidimiventy namidy vozon-kena, kely ihany fa misavily an-katoka. soanja
450 04/10/10 Alaon'ny andro nampakarana anie aho: ny hena be, ny fitia nandroso; ka sady Ramatoa aho no Raivo. soanja
449 04/10/10 Tampontampoin'ny manambady Raketaka ka misambo-balala hariva. soanja
448 04/10/10 Ao ihany ny takatra nihinana ny valala sy ny vano nitsaingoka ny sahona. soanja
447 04/10/10 Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana. soanja
446 04/10/10 Niolaka ny vato aho, novatoiny; niolaka ny hazo aho, nohazoniny; may Ikakibe vao navelany aho. soanja
 1 2 3 >  Last