Mahita volana alohan'ny biby
doum 06/10/2005 00:13

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

phales ( 10/06/2018 16:13)
"Mahita volana alohan'i Habib" no tena izy. I Habib dia teratany arabo nosoran'ny mponina tao Ambohidrabiby ho mpanjaka tamin'izany fotoana. Mpanandro izy io ka nanana fahefana manokana milaza ny ho avy amin'ny alalan'ny fijerevena volana. Noho izany dia lasa fiteny tany an-toerana izy io raha misy olona miseho mahalala ny ho avy mialohan'i Habib. Izany ho "mahita volana alohan'i Habib" izay nohagasiana hoe "mahita volana alohan-dRabiby" no tena fiteny fa lasa fahazaran-dratsy fotsiny ilay hoe "mahita volana alohan'ny biby".
Marihina koa moa fa "Ambohidrabiby" no tena anaran'ilay tanĂ na fa tsy "Ambohitrabiby" mba hoentina hilazana fa Habib no nitondra tao tamin'izany.
nannie ( 16/07/2015 09:27)
Taloha nieritreritra mihitsy hoe izao no izy, mandram-pisian'ny olona iray nanambara tamiko fa "Mahita volana alohan'i Habib" hono no izy. Ahoana izany ? Inona no marina ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1387