Sarotr'entina toy ny rafozam-be tsiny: omena ny manta, Tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany

Nampidirin'i : latina

Hevitra mandeha

latina (14/02/2007 14:44:45)

entina ilazana ireo rafozana mahita ho lazaina sy tsikeraina foana rehefa misy zavatra omena na atao azy, (tsy mahay mankasitraka), ohatra hoe raha hena manta no entinao azy dia lazainy fa angaha dia tsy mba afaka nandrahoinao tany aloha vao nomena azy, raha efa masaka indray no omena azy dia lazainy fa anmbin-kaninao tany angaha ito hena masaka aterinao ito.

Hametraka hevitra

Midira aloha