Ohabolana nofidina
Toy ny haran-domotra saron-javona ka izay misakasaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty an-tenantenan-tsolatra !
Hevitra mandeha
ontsy (15/05/2008 12:32:26)
Ny haran-domotra dia harana rakotra lomotra izany hoe tendrombohitra vato feno lomotra; sarona izy io ka ilàna fitandremana. Misakasaka : misy koa milaza fa mitsakatsaka (mifanahin-tsaka : jejo, mandeha mafy, mipitipitika, ...) nefa ratsy fisikina : Raha akapoka iray dia tsy mitandrina. dia ho solafaky ny setrasetran-tsahondra : ny sahondra dia zavamaniry mandady nefa rehefa matanjaka tsara izy dia afa-mamingana izay tsy mijery.Very faty satria rako-javona eny antenantenany satria tsy lasa lavitra. Ny solatra dia izay tany tsy dia milamina loatra fa mikitaotaona !
Ambava homana am-po mieritra !
ontsy (15/05/2008 12:26:57)
Mba entina hampihaingo ny kabary atao ny fanaovana ohabolana lava toy izao, ka hay tsara kosa aloha ny fanononana azy.