Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritra
Sokajy: safidytantara - sakafo
kiriah 02/09/2010 23:36

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

Ndriamanagna ( 11/07/2017 17:51)
Ny andriana malagasy ihany koa taloha dia mandro amin'ny fotoana voatondro. Rahefa vita ny fandroana dia tsy ariana ny rano avy nadroany fa andrahoana ny trafo-kena. Ary rehefa masaka izany dia omena ny mahery(miaramila). Fatantry ny mahery tsara hoe avy aiza ny rano nandrahoana an'ity trafo-kena izay haniny ity fa tsy mahazo mandĂ  velively fa dia sady mitsakotsako an'ilay trafo-kena no mieritreritra ao anaty ao ny tantaran'ny nandrahoana ny trafo-kena. Tsy misy azo atao fa dia "ambava homana eee.....!
kiriah ( 04/03/2012 10:49)
misy fanazavĂ na iray koa manakaiky sy azo homena : olona iray nivahiny taman olona izy io ary norosoin ny tompon-trano sakafo ( trafo-kena ) mbola mafy dia mafy anefa ny sakafo naroso( tsy voatanika tsara) , ny mandroso sakafo tsy masaka tsara dia nadika ho tsy fitiavana na tsy fahaizana mandray olona taloha , eo no miditra an-tsehatra io ohabolana io satria : voaroso trafo-kena nefa trafo-kena tsy masaka ( tiany ve aho sa tiany ? ) AMBAVA HOMANA E !!!!! AM-PO MIERITRERITRA .
soanja ( 03/09/2010 02:32)
Taloha elabe dia nihinana razana (ireo maty) tokoa ny razantsika nohon'ny finoany fa tsy tiany hiala eo aminy ny tiany fa mbola hitoetra ao aminy ka handray ny toeran'ny rany ao anatiny. Sarotra be ny manaiky izany saingy izay no lova noraisintsika tamin'ireo razantsika avy any ampitan-dranomasina. Mbola misy foko any ho any tsy azoko lazaina eto izay mbola manao izany eto Madagasikara.
kiriah ( 02/09/2010 23:46)
Tamin ny andro taloha rehefa miaboho(maty) ny andriana ,na koa ireo olona manakarena, dia diovina tanteraka ny ao anatin ny kibony mba hitehirizana ny vatan ny razana hateza kokoa; ny MAHERY no miandraikitra izany raharaha sarotra izany( tovolahy velon-dray aman-dreny ,ary tsy manan-kilema), ka rehefa voadio ny razana dia rosoana TRAFOKENA ny MAHERY ,arakin ny FOMBA anefa dia tsy mahazo manasa tanana ny MAHERY fa tonga dia mandray sakafo avy hatrany, tsy maintsy raisin-tanana ihany koa ny TRAFOKENA. eo indrindra no miditra an-tsehatra io ohabolana io : " TRAFOKENA OME-MAHERY TOKINAO IHINANA AZY "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093