Ataovy toy ny andry ombin'ilaisalama ny havana,ka ny kely voasafosafo;ny lehibe voatehatehaka
Sokajy: Havana
FENOSOA2 03/03/2013 15:58

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

FENOSOA2 ( 26/01/2016 04:39)
misaotra mpankafy
sylvoalias ( 18/03/2013 07:28)
Misaotra anao Fenosoa2.
mankasitraka....
Sylvoalias
sylvoalias ( 18/03/2013 07:23)
Fitiavan-kavana sy fitiava-namana de tsy sarotra fa isika matetika no sarotiny ka manasarotra ny mora,mitady sy mila hamorona lava izay tsy misy.
Tsy mifandevi-maty ohatra ny mpiray tampo ,tsy mifampiditra an-trano ny mpifanolo-body rindrina...noho ny antsony maro samy hafa(lova,fananana,fialonana,..hery setra isankarazany..)....maninona ary ve raha atao tsara tefy ny fifanarahana ?? ..aorina sy atao mafy faka ny fifankatiavana...volena sy aketsa ny tsiky sy ny fisakaizana...
Noho ianao izay manana ny ampy ve no mampilonilony anao ??? mampiavonavona anao, sa kosa va re noho ianao izay mba nahita fianarana kely noho ny sasany no mahatonga anao tsy mifandray tanana sy miavaka amin'ny sasany ??,??
Fitiavan-kavana tokoa ve...safosafoy ny kely ary tehatehafo ny lehibe....fitiavana tsy misy fetra no dikan'izany.....Hafaliana tokoa tsy misy ohatr'izany....
Sarotra ny hitia ny namana noho ny tena nefa kosa betsaka ary maro ny zavatra azo leferina ny azo ifanarahana,misy foana ny marimaritra iraisana ka iarahan'ny maro mifanaiky ....
Fitiavana aza hono hoy ny sasany toy ny ketsa ka mora afindra....nahoana no tsy maintsy voatery afindra ny ketsa eny fa na de fantra aza fa voaketsa tamin'ny tany lonaka ??? noho ianao izay tsy manana hery hikatsahana ny marimaritra iraisana sy ny fifanarahana mba hampaniry indray ny fitiavanareo izay mihamalazo ve...? Sa noho ny andaniny tsy te hahalala de ianao koa manaiky ny hanapotika ny fitiavana izay nampitohy anareo teo aloha:::?
Sitraka ho enty matory lava ny fihavanana sy ny fitioavana ka ho tsahivina lava rehefa mahatsiaro....ho nofinofisina kosa raha sendra rendremana ....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2978