Zanahary tsy mitahy mandry
Sokajy: RAZANA
dagomainty 15/05/2013 20:14

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

sylvoalias ( 17/05/2013 06:47)
Mila miasa sy mikofosa isanandro fa aza reraka na sasatra ny mamafy voa soa.
Miadia sy mitiloma isanandro amin'ny fahakamoana!
sylvoalias
sylvoalias ( 17/05/2013 06:42)
Sa kosa " manao Ny Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikipy "....????
Ho an'ireo izay mipetra-potsiny sy miraviravy tanana ka manao ariary zato ampan-driana...de olana hanoanana no ho vokariny.
"Izay mamafy rivotra de hijinja tafio-drivotra...!"
sylvoalias
sylvoalias ( 17/05/2013 06:35)
Hoy ny Frantsay hoe : " aide toi et le ciel t'aidera!"
efa voahozona hatrany ampiandohana ny zanak'olombelona ka tsy maintsy amin'ny alalan'ny hatsembohan'ny tavany no hahitahy sy hihinanany hanina...koa izay miraviravy tanana dia tsy homana,....ny kisoa aza hono mitrongy vao homana.
"Raha nanao no tsy nambinina de ampio fa havana ! "
tsy voatery hamokatra daholo anefa izay ataontsika ,na de teo aza ny filofosana sy ny fiezahana teo ampanatontosana ireo asa izay ataontsika...de eo ireo namana sy havana hianteherana. fa raha nipetra-potsiny kosa le olona de ataoko fa tsy hisy mpanampy...
:-) sylvoalias
dagomainty ( 15/05/2013 20:16)
azoko ny tian'izany ambara fa le hevitra no tsy ampy amiko..sao de mba misy hanazava tsara ny
makasika izany ao azafady?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1188