Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alalan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alalan
Hampiditra ohabolana
-29.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
-28.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
-27.
Tafita aloha, alalan' ny aoriana
yveratsimb
-26.
Izay ataonao rehefa tsy misy mpijery no tena ahalalana ny maha hianao anao.
niryna
-25.
Ny fahendrena dia azo avy amin'ny fahalalana ary ny fahalalana dia azo avy tamin'ny fahadalana
niryna
-24.
Valalan 'alika ka ny tompony aza tsy tia.
niryna
-23.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
-22.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
-21.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
-20.
Izay zavatra ataonao ao anatin'ny maizina no ahalalana ny tena toetranao.
niryna
-19.
Ny fahaizana mihoatra noho ny volafotsy ary ny fahalalana miohatra noho ny volamena
dziana
-18.
Izay rehetra azon'ny tĂ nanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
-17.
Hianaro ny fahendrena amin'ny alalan'ny adalan'ny sasany
miainga
-16.
Aleo fahalalana toy izay volamena voafantina
niryna
-15.
Sambatra izay olona mahita fahendrena sy mahazo fahalalana
niryna
-14.
Sambo-balalan'ingahibé, azo moa fanampin-kanina, tsy azo tsy fahafirin-kanina
menalamba
-13.
Ny eritreritra dia tsara lavitra noho ny fahalalana.
niryna
-12.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
-11.
Ny fandefasana eritreritra no zava-dehibe noho ny fahalalana
niryna
-10.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
-9.
Toiny valalan'alika ka ny tompony aza tsy tia
rafozanasket
-8.
valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia azy
doum
-7.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
-6.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
-5.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0258