Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zavona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zavona
Hampiditra ohabolana
-29.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
-28.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
-27.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
-26.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
-25.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
-24.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
-23.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
-22.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
-21.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
-20.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317