Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
fahafatesana
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny tsiny, mantsy, tahaka ny haran-domotra saron-javona ka izay mitsakatsaka ratsy fisikina no solafaky ny setrasetran-tsahondra ka zary very faty eny an-tenantenan-tsolatra
tantanana
-28.
Manaova Zavatra Mba Hitiavan'olona Anao
Avoss
-27.
Ny Alahelon'ny Olona Iray ,misy Vokany Eo Amin'ny Fiainanao
Avoss
-26.
aleo maty ,toy izay mijaly
Avoss
-25.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
-24.
Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.
Benjamadagasikara
-23.
Aleo maty anio toy izay maty androany,ny fahafatesana tsy heloka fa jarahetra
ODILON
-22.
Eeee... maty ny kely aina
ded.kitty
-21.
Tiatia ny takona , ka diso ny avaratry ny fasana.
soanja
-20.
Niolaka ny vato aho, novatoiny; niolaka ny hazo aho, nohazoniny; may Ikakibe vao navelany aho.
soanja
-19.
Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona.
soanja
-18.
Tsy hitanareo va ny maty? Tatarobe miefi-damba, misaron-doha tsy ho aiza. Maraina tsy mba mifoha, hariva tsy mba mamindro; tany mena no ambny tratra, rari-vato no an-dani-mandry.
soanja
-17.
Ny fasana, Andriamanantena; fa ny olona kosa, Andrianantenaina.
soanja
-16.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
-15.
Gny hafady marary tsy misy, ka gny halofo faty ka misy. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
-14.
Raha ho faty aho matesa rahavana! Raha ho faty rahavana matesa ny omby!
sylvoalias
-13.
Aza manao fatin-dalitra ka maty mitety ratsy, fa manaova fatin- tantely ka maty mamela mamy ho an'ny fokonolona
niryna
-12.
Maty mangina toy ny otrik'afo
niryna
-11.
Ny tompony mahazaka ihany fa ny mpamendrofendro no betsaka
niryna
-10.
Tany ikafaran-kilevenana;vady tsy tian-kianterana
niryna
-9.
Tsy misy malahelo tahaka ny maty vady fa rehefa manitsaka afo, mihinjaka ihany.
aivetinakely
-8.
Zara hetra ny fahafatesana ka samy mandray ny anjarany.
aivetinakely
-7.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
-6.
aza manirina omon-tsy afaka aina
latina
-5.
ny fahafatesana tsy manisa ny aina efa matiny.
jentilisa
-4.
Aza manao ranomaso tsy miaraka amam-paty
Vetso
-3.
Raha maty aho matesa rahavana, raha maty rahavana matesa ny omby.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0606