Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
tarehy
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny te hanana tsy mahaleo ny ambinina
brunopayet
-28.
ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina
kafaariaryefatra
-27.
Ataovy Zavatra Ho Anao Ny Zava_dratsy Teo Aloha, Mba Hanatsarana Ny Hoavy
Avoss
-26.
Aleo Manao Zavatra Vokatra Ny Fo Misy Tanjona Atao,toy Izay Manaonao Fotsiny Tsisy Dikany
Avoss
-25.
Anjely Tarehy Fa Devoly Fanahy
Avoss
-24.
"nahita akanga tsara soraka; ka nanary ny akoho tama an-trano"
ramiandrisoa_jean_marc2018
-23.
Aleo Maty, Toy Izay Alan'olona
avoss Jah
-22.
"Ny Manankarena Mety Mbola Hijaly,ary Ny Mahantra Mety Mbola Hifaly"
avoss Jah
-21.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana
OZ16
-20.
Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka volo vao tsara.
soanja
-19.
Ratsy tarehy handeha hilanona, ka maraina ihany no izy.
soanja
-18.
Akanjon-goaika, ka vita fony kely.
soanja
-17.
Enti-maty toy ny tarehy.
soanja
-16.
Tsara loha ka endrehin-drandrana.
soanja
-15.
Ny tarehy soa verin'ny hanina an-dany vazana.
soanja
-14.
Ny firavaka azo atentina, fa ny tarehy tsy azo atentina.
soanja
-13.
Tsy mahaleo ny tarehy ratsiko aza, dia tsy maintsy malahelo ny entan-kitaiko.
soanja
-12.
Ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny ho very
Ratianakel
-11.
Ny tsara tarehy mora fandrihana, ny ratsy kosa miavon-tsy feno.
aivetinakely
-10.
Aza misengy manana vady tsara tarehy, fa ny hatsaràny ihany no hamadihany anao.
aivetinakely
-9.
Ny terehy no andRahiratra fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
-8.
ratsy tarehy be vody, tsy avelan'ny vodiny hiahaka
badboy
-7.
Tsara tarehy petak'orona, voatondro iray no tsininy.
aivetinakely
-6.
Ratsy tarehy mitaratra ka ny volo no aolakolaka
aivetinakely
-5.
Ny tarehy no andRahiratra, fa ny vintana andRatsitamoraina
aivetinakely
-4.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolanolana
latina
-3.
aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy
zouzou
-2.
Tsara tarehy petak'orona, voatondro iray monja no tsininy.
jentilisa
-1.
ny tarehy an-dRahiratra, fa ny vintana an-dRatsitamoraina.
jentilisa
0.
Ny anarana mampodi-mandry ny tarehy mampiverin'ilalana
JMR
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103