Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
mbelo
Hampiditra ohabolana
-29.
ny bibin-tsaonjo aza tsy atahorako ka bibim-bomanga ve handosirako?
mbelo
-28.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ny tany tsy refesina
mbelo
-27.
aza manao arahaba mamba : tsy fitia fa tahotra
mbelo
-26.
ny lanitra tsy ferana, ny masoandro tsy zehena, ary ny tany tsy refesina
mbelo
-25.
tsy satrim-parihy hiloa-potaka fa ao ny mpanakobana
mbelo
-24.
tsy satrin'ny angady hihosim-potaka fa ao ny tana-manosika;
mbelo
-23.
Ny fasana miandry mahazo, ny olona miandry tsy fidiny
mbelo
-22.
Ny soa atao sakafo, ny vava ratsy adidy
mbelo
-21.
tsara tarehy petak'orona ka voatondro iray no naharatsy azy
mbelo
-20.
Tsintsina mitondra vonim-bero ka ny eran'ny vava no entina
mbelo
-19.
ravin-tapia tian-dandy ka tsara fanahy sitrak'olona
mbelo
-18.
ny fasana hono miandry mahazo, ny olombelona miandry tsy fidiny
mbelo
-17.
Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
mbelo
-16.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0596