Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
rtol
Hampiditra ohabolana
-29.
Volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan'ny lazany tsy hahiratra
rtol
-28.
Voanemba mipitika anjoro, tsy very fa maka toerana
rtol
-27.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
rtol
-26.
Raha malina aza mifehy hazo tokana
rtol
-25.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny no hilaza azy
rtol
-24.
Toy ny akoholahy an' Antanantanana ka ny mazava mitarika vady maro fa ny alina kosa mandry amin'ny tainy
rtol
-23.
Poritr'ovy Ankaratra ka samy mihinana izay voapotsipotsiny
rtol
-22.
Na tsara nify anoloana aza tsy hitsako alohan'ny vazana
rtol
-21.
Antananarivo no tsara trano ka i vakiniadiana no sola vantony
rtol
-20.
Lasanko-vavany toy ny haron-tabebaka
rtol
-19.
Sahobakaka mamangy rafozana ka ny mpamangy montotra ny vangiana montotra!
rtol
-18.
Mifanimpaka an-toerana toy ny valalan-karona
rtol
-17.
Malaza tsy hinanana toy ny lovian-tsahona
rtol
-16.
Samy zanaky ny mpanefy ka tsy miafmpidera taim-by
rtol
-15.
Malaza avy any namehana ka tsy nivimbina voasary ho an-jaza
rtol
-14.
Mpiasa be voton'anatra ka manao mbay lalana an-tsena
rtol
-13.
Kely be adidy toy ny rambon'omby ka sady tako-kenatra no kopa-dalitra
rtol
-12.
Tafaray samy malama toy ny sola miloloha voatavo
rtol
-11.
Boka mangala-pihinana ka lany andro teo am-pisangiana takotra
rtol
-10.
Tsy naha-vazaha renivorona fa sendran'izay sifitra antitra
rtol
-9.
Rafotsy be kendam-bomanga, kendan' ny nasesiky ny tananany
rtol
-8.
Aza atao toy ny fitia varavarana, ka tiana ihany fa atositosika
rtol
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0464