Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, anaty sokajy
akoho
Hampiditra ohabolana
31.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
32.
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho mavon-drazana.
soanja
33.
akoho tia hady ka mankaloza ny kary.
soanja
34.
Lainga marivo tototra ka hehezin ny akoho tokan anaka
kiriah
35.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
36.
Volon'akoholahy lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
37.
Volon'akohoalahy lena ka ny vava no enti-manilika.
aivetinakely
38.
Akoho nikotrika atodi-mamba ka mamelon-doza ho an'ny tena.
aivetinakely
39.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
40.
Akoho nikotri-borona ka nisasatra amin'ny tsy ho an'ny tena.
aivetinakely
41.
Akohovavy maneno, tsy hery fa fambara loza
aivetinakely
42.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
43.
Akohokely lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
44.
Tamàn-trano tahaka ny akoho ka tsy mahita remby hameloman'anaka
aivetinakely
45.
Tsy misy mahay mamindra toy ny akoho fa rehefa mandia sahafa solafaka ihany
elyzo
46.
Mahita ny akanga tsara soratra, koa manary ny akoho zarianagny.
ilanto
47.
Ny akoho no tsy nanidina hono, tsy naharitra ny andro zomà.
ilanto
48.
Volon'akoho lena ka ny vava no enti-manifika.
aivetinakely
49.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
50.
Raha sery vitan'ny anamalaho, aza amonoana vatotr'akoho.
aivetinakely
51.
Nahita ny akanga tsara soratra ka nanary ny akoho tamàn-trano
aivetinakely
52.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.
aivetinakely
53.
Mianjonanjona, toy ny akoho nihinam-bitsika.
ikalamako
54.
Akoholahy mikokokoko akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana.
aivetinakely
55.
Akoho lasan'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
56.
Akoho nikotri-borona ka nisasatra amin'ny tsy ho an'ny tena.
aivetinakely
57.
akoho nopahom-papango lasa ambony vao tra-pahoriana
nalaina
58.
Faly sahirana toy ny akohokely tsipaza-potsimbary
FRanaivo
59.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
60.
akoholahin'Antanantanana ka ny feony fotsiny no manga fa ny volom-bodiny ringitra
rindraintsoa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126