Serasera
Namana
Tononkira
Tononkalo
Radiovazogasy
Antsary
Bizna
Fanoroam-pejy
Fandraisana
Handray email
Amin'ny takelakao
Fanoroana
Soso-kevitra
Fanazavana kely
Fidirana
Ohabolana
Hampiditra ohabolana
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny sokajy
Lisitry ny ohabolana
Search ohabolana
Mampiseho ny 58 - 77 amin'ny 117
#
Ohabolana
Nampiditra
77
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
76
Tsy misy tombo sy hala: fa ny iray vy nahitana, ary ny iray angady nananana
rapala
75
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
74
Toy ny rano sy vary ka an-tsaha tsy misaraka, am-bilany tsy mifanary
vato
73
Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
bileda
72
Tsy kivy tsy ketraka ka homan-kena tsy lasam-bidy
latina
71
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra, halavirina, manatona
latina
70
Ny fihavanana toy ny fasam-Bazimba, ka izay mandrava aloha no kely ila.
latina
69
Ny fihavanana ohatra ny famoriana tain'omby: ka izay mahavezivezy no mahafeno harona aloha
latina
68
Ny fihavanana ohatra ny landy: maty isika, ifonosana, velona itafiana, ka ny madilana arahim-panondro.
latina
67
Ny fihavanana toy ny raty: raha henjanina, tapaka, ary raha ketrahina, miboraka.
latina
66
Fihavanan'ny Mamoladahy: tsy mihavana roa taona.
latina
65
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
64
Toy ny jaka: tsy hanin-kahavoky, fa nofon-kena mitam-pihavanana.
latina
63
Ny kary aza mitsaoka amin'Andriampatsa mahazo, ka indrindra fa ny havana.
latina
62
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra.
latina
61
Mpisakaiza to mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
latina
60
Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
latina
59
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina
latina
58
Ny fo tsy mandringa, ka raha mandalo aho mitsidika ihany.
latina
<
1
2
3
4
5
>
Last
Concept and Design © Serasera.org:
Eugene Hery
RSS
Tel +39 338 744 2412 (Italie)
Page rendered in 0.2254 seconds