Lisitry ny ohabolana
Mampiseho ny -12 - 7 amin'ny 7| # | Daty | Ohabolana | Nampiditra |
|---|---|---|---|
| 7 | 27/09/05 | Aza manao toy ny zozoro, marotsaka ihany von-dohany | McFy |
| 6 | 28/04/09 | Toy ny zozoro an-keniheny, misedra rivotra miara-midola, toherin-drano miara-milamaka. | aivetinakely |
| 5 | 09/09/10 | Langilangy zozoro, ka midoboka fa tsy maharary. | soanja |
| 4 | 09/09/10 | Aza manao toy ny zozoro, miray toerana tsy mifandrandrana. | soanja |
| 3 | 09/09/10 | Zozoro anaty farihy, ka raha tsofin'ny rivotra miara-miraika. | soanja |
| 2 | 09/09/10 | Sendra izay nikentronany, hoy ilay nangoron-tsihy. | soanja |
| 1 | 09/09/10 | Toy ny herana ka mitomany handratra ny hafa. | soanja |