Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
kanto1
Hampiditra ohabolana
-29.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
-28.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra.
kanto1
-27.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara dia.
kanto1
-26.
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
-25.
Toy ny fanoto : ka antitra vao kely anarana.
kanto1
-24.
Ela nanidinana andriam balala, ka tapaka ny elany.
kanto1
-23.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
-22.
Mandroroa toy ny mason antitra.
kanto1
-21.
Tsy avelan ny ela tsy ho antitra.
kanto1
-20.
Iri mahory, toy ny volo fotsy.
kanto1
-19.
Aza mitaitay ho sola, fa vato no lolohavina.
kanto1
-18.
Ny sola malahelo tsy mba Rangahy.
kanto1
-17.
Aza manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga Rangahy avokoa.
kanto1
-16.
Aza manao tahon katsaka am body fahitra, ka izay miposaka mena somotra daholo.
kanto1
-15.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
kanto1
-14.
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
-13.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
-12.
Tsy mety raha ny lehilahy lehibe misitsioka foana, nefa tsy mety raha very sioka.
kanto1
-11.
Tanora be sondrotr aina, ka ho faty alohan ny marary.
kanto1
-10.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty
kanto1
-9.
Vary manta jinjana: tsy manam po izay ho faty, fa ny manao no mahery
kanto1
-8.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
-7.
Ny ankizy no manao tsingeringerina ka ny lehibe no fanina
kanto1
-6.
Voa mirindra, voa miandalana, ka izay mahatsangy no zaza
kanto1
-5.
Zatovo mandry maraina, bongo maso vao hita
kanto1
-4.
Toy ny tovolahy mahita fotsiymbary, ka Arotsahy, arotsahy ihany
kanto1
-3.
Mpandany ny azo toy ny zaza mpandova
kanto1
-2.
Toy ny fanahin jaza manjazana
kanto1
-1.
Lehibe vao miana poto tsarika ka sahirana
kanto1
0.
Toy ny voatavo tsy mifandraka, fa zazabodo
kanto1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0498