Ohabolana nampidirin'i tia
Mampiseho ny -6 - 13 amin'ny 13| # | Daty | Ohabolana | Nampiditra |
|---|---|---|---|
| 13 | 01/07/06 | Ny teny toy ny ombimanga anaty vero: ka raha pizina, latska an-kady | tia |
| 12 | 01/07/06 | Fatra-pitady ny tany tsy misy fasana, ka sendra izay homana olona | tia |
| 11 | 01/07/06 | fatrapitady ny tsy hita ka manary ny hita maso | tia |
| 10 | 01/07/06 | Ny tompon'alahelo leo ihany, fa ny mpamendrofendro no tsy tanty | tia |
| 9 | 01/07/06 | Sarotin'alahelo ka tia tsiri-pasana | tia |
| 8 | 01/07/06 | Toy ny aretina ny alahelo: ka ao ny morainy, ao ny sarotiny | tia |
| 7 | 01/07/06 | Tsy mandidy alohan'Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina | tia |
| 6 | 01/07/06 | Ny alahelo toy ny rahona: rehefa mavesatra mianjera | tia |
| 5 | 01/07/06 | Ny alahelo toy ny raki-malala: ka raha tsy ny olon-tiana tsy amerahana azy | tia |
| 4 | 01/07/06 | Ny olombelona tsy miditra am-pitarihan-tokana | tia |
| 3 | 01/07/06 | Ny olombelona tsy fo vato fa fo emboka | tia |
| 2 | 12/05/06 | Ny lainga toy ny salaka ka iray mihodidina iany | tia |
| 1 | 12/05/06 | aza midera vady mahay mandihy fa ao ny sorony hilaza azy | tia |