Ohabolana (Proverbes). Tsy nitsontsorika avy tany an-danitra toy ny
havandra na nitrebona avy tany ambanin'ny tany toy ny holatra ny
ohabolana fa tandroka miaraka aman-tsofina amin'ny literatiora
malagasy. Toy ny rano sy ny vary ka an-tsaha tsy mifanary ary an-tanàna
tsy mifandao.
Tandra vadin-koditra anisan'ny maha-olombelona ny olombelona ny teny sy
ny fitenenana. Raha mbola tsy nisy akory ny literatiora an-tsoratra dia
efa nisy ny literatiora am-bava. Amin'ny maha-am-bava azy dia tsy vita
an-tsoratra izy tany am-piandohana fa dia am-bava ranofotsiny. Midika
izany fa ny taranaka nifandimby no nitahiry izany tamin'ny alalan'ny
fampiasana azy andavanandro sy ny fampitana azy am-bava. Dia toa izany
ihany hatrany. Tsy hafa fa izany no antsoina hoe lovantsofina. Ny
sofina sy ny vava sy ny fitadidiana (mémoire) no tena miasa amin'izany.
Tsy mba nanana Oniversite na sekoly ambony hanovozana fahaizana sy
handalinam-pahalalana toy ny amin'ny vanim-potoana iainantsika
ankehitriny mantsy ny ntaolo razantsika. Ny zava-boahary sy ny fiainana
no namolavola sy nanefy azy nandritra ny vanim-potoana nifandimby.
Porofo maneho endrika izany fahaiza-miteny sy fahaiza-mandini-javatra
izany ny ohabolana
Raha rasaina ny teny hoe "ohabolana" dia avy amin'ny hoe "ohatra" sy
"volana" (teny). Raha raisina ara-bakiteny izany dia toa izao : maka
ohatra iray ny mpiteny hoentiny manazava amin'ny fomba azo
tsapain-tànana ny tian-kambara. Ohatra iray izay tsy hafa fa sary
(image, métaphore) itarihana ny mason-tsain'ny mpihaino hanaraka ny
zotran-keviny, hiditra ao amin'ny tontolon'eritreriny. Tsy mitady
ohatra lavitra izy amin'izany fa miainga amin'ny zava-misy fahita sy
iainan'ny olona andavanandro.
Raha miteny ohatra ny ntaolo hoe : "antoandro faka ronono ka ilaozan'ny
omby mihahaka" dia mazava amin'ny rehetra avy hatrany ny tian-kambara.
Misy fotoanany ny zavatra rehetra. Raha variana matory maraina ny
mpitery omby dia hody maina rehefa mankany an-tsaha satria efa nihahaka
ny omby. Fahizay mantsy dia teny ankalamanjana na teny ankijana no
matory ny omby rehefa alina ny andro. Raha mitaraikiraiky ny mpaka
ronono dia tsy hahatratra ny omby eo amin'izay natoriany intsony satria
efa lasa niraoka ahitra any amin'ny toeran-kafa izy ireo.
Amin'ity ohabolana ity dia ny mpaka ronono no ohatra raisina
hoenti-milaza amin'ny mpihaino fa ilaina ny fahamailoana. Tsy tokony ho
varimbariana na hangataka andro rehefa misy asa tiana hatao na tanjona
tian-kotratrina eo amin'ny fiainana. Io no tonga amin'ny fitenenana hoe
: "velezina ny vy dieny mafana". Tsy rototra loatra ilay mpaka ronono
ka nifoteran'ny nataony ary "ny nenina tsy eo aloha hananatra fa
aoriana handatsa". Misongadina tokoa eto ny voka-dratsin'ny tsy
fandraisana andraikitra avy hatrany. Tsy izay lafy ratsiny izay anefa
no tena tian'ny mpiteny hotsindriana mafy ao amin'ny ohabolana fa ny
lafy tsarany tokony ho nataon'ilay mpaka ronono nefa tsy nataony. Ny
amisavisana ny ratsy, hono mantsy, mba hihavian'ny soa ka "soa kenda
hahay mitsako" !
Matetika dia mpikabary no tena mampiasa ohabolana. Olona havanana
amin'ny fitenenana izy ireny ary antsoina amin'ny
karazam-pihetsiketsehana samihafa ao amin'ny fiainam-piaraha-monina
(toy ny famoran-jaza, fanambadiana, fahafatesana). Mientanentana ery ny
fo amam-panahin'ny mpihaino rehefa mandre kabary tsara rindra voaravaky
ny ohabolana eny an-tsefatsefany eny. Toy ny ronono tondrahan-tantely
izany ka sady mamy no fy ary mandretsidretsika ny fo amam-panahy. Mova
tsy ny misy andriamby mampifanatona avy hatrany ny tontolon-tsain'ny
mpikabary sy ny mpihaino. Tsy tsaroana intsony ny fandalon'ny ora sy ny
fotoana fa toa mihantona eo amin'ny vavan'ny mpikabary ny maso sy ny
sofin'ny rehetra.
Tsy ataotao foana ny ohabolana. Natao hifanaraka amin'ny zava-misy sy
tian-kambara eo amin'ny fotoana itenenana izy ka sady ravaka sy
haingon'ny fitenenana no mamehy ny fonjan-kevitra tian-kasongadina.
Vokatry ny traikefan'ny teo aloha teo amin'ny fandinihan-javatra ny
ohabolana ary dimbiasana sy ifandovan'ny taranaka mifandimby ka toy ny
vaovao lalandava.
Fatra-pandala ohabolana ary nampiasa izany teo amin'ny fiainany
andavanandro ny ntaolo razantsika. Koa na inona na inona nataony, na
an-kafaliana, na an-karatsiana dia voaravaky ny ohabolana avokoa. Azo
tarafina amin'ireo ohabolana samihafa ifandovan'ny taranaka mifandimby
ireo ny fanahim-pahendrena tao amin'izy ireo.
Maneho fahaiza-miteny sy hakingan-tsaina eo amin'ny fandinihan-javatra
ny ohabolana. Tsy fitia te hiteny fahatany anefa fa teny voalanjalanja
tsara sy natao haharesy lahatra avy hatrany. Jereo ange e : "akondro
iray fototra ny ambanilanitra : ny mamololon-ko raviny, akondro ihany ;
ny manondro lanitra ho voany, akondro ihany ; ny miendaka ho raty,
akondro ihany".
Zava-maniry fahitan'ny rehetra ny akondro. Raha te haneho ny mahairay
tsy mivaky ny vahoaka ny mpiteny eto dia miainga amin'ny "akondro iray
fototra". Sary ihany anefa io, sarin-teny manova endri-javatra, sary
mifamaly amin'ny hoe "ambanilanitra", maneho endrika azy angaha no
iziizy kokoa. Voasoritra eto amin'ity ohabolana ity ny fahasamihafan'ny
anjara toerana sy ny anjara asan'ny tsirairay eo amin'ny fiaraha-monina
sy ny tontolo misy azy. Ny asa aman-draharaha anefa no samihafa, ny
fomba fiaina sy ny fomba fijery no tsy mitovy fa izy rehetra ireo dia
toy ny tena iray ihany satria iray firenena. Iray vatsy, iray aina.
Misy amin'izy ireo ho raviny (feuilles), misy kosa ny manondro lanitra
ho voany (pousses)ary ao koa ny ho raty (écorces). Ny fitambaran'izy
rehetra ireo no anisany maha-akondro ny akondro. Ilaina ny
fiaraha-mientan'izy rehetra, ilaina ny fiaraha-miasan'izy rehetra. Tsy
misy afaka manava-tena ho hany maha-akondro ny akondro na iray aza. Tsy
ambakan'izany koa ny fampandrosoana ny fiainam-piaraha-monina sy ny
tontolo iainana. Ny fahatsiarovantenan'ny tsirairay ho ravina sy ho voa
ary ho raty sy ny fiaraha-mientan'ny daholobe no zotra hitondra amin'ny
fampandrosoana.
"Ny firaisana no hery", hoy ny ntaolo, koa "izay mitambatra vato" ary
"izay misaraka fasika". "Olona iray tsy mba vahoaka". Rehefa samy miady
te ho lehibe eo amin'ny fiaraha-monina indray ny olona ka tsy mahay
mifandefitra dia hoy ny ntaolo hoe : "akoholahy maro an-drova ka samy
ta haneno avokoa". Ny "rova" eto dia enti-milaza toerana iray voafefy
tsatoka (hazo marani-doha atsatoka amin'ny tany). Samy te ho lehibe izy
rehetra ka samy miara-maneno sy mifandramatra ary mifamantsy.
Iaraha-mahalala fa tsy moramora ny adin'akoholahy, tsy sangisangy fa
tena ady tokoa. Tsy mitera-bokatsoa na oviana na oviana anefa ny ady
an-trano. Vao mainka mandrava fihavanana aza ka tsy hahitana ny rariny.
"Ny tsihy no fola-mandefitra". Ny mpiray firenena dia tokony ho toy
"mpirahalahy mianala ka izaho tokiny ary izy tokiko". "Ny biby tsy
manan-doha tsy mandeha" nefa raha ho lohany daholo izy rehetra dia aiza
ny vatany ? Ny fitambaran'ny loha sy ny vatana anefa no maha-firenena
ny firenena. Tsy mandeha ila ireo.
Raki-tsoa sarobidy ho an'ny taranaka mifandimby ny ohabolana. Santatra
am-bava rano sy tsetsatsetsa tsy aritra ihany ity natolotra anareo eto
ity, fa ny manetsa be mbola ho avy. Koa ny aina no matezà...
Frantsa 31 martsa 2003
Antsiva
Nalaina tao amin'ny
Jereo eto