Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fanompoana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fanompoana
Hampiditra ohabolana
-29.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny avy.
yveratsimb
-28.
Ny fanompoana folo elatra ahina: ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty.
soanja
-27.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
-26.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
-25.
Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina, ary raha lalin-kihemorana.
soanja
-24.
Tahaka ny jorery ny fanompoana, ka na dia tapaka aza ny tongony aman-tanany mbola mimenomenona ihany izy.
soanja
-23.
ny fanompoana tahaka ny endim-boanjo: ny madinika ihany no may.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.016