Fanoroam-pejy
Hiditra
Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Nampidiriko
Samihafa
Ohabolana nampidirin'i kanto1
Hitady ohabolana
Ok
Mampiseho ny 14 - 33 amin'ny 33
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra.
kanto1
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara dia.
kanto1
Tahaka ny antitra mitomany : maika loza miketrona manaratsy tena.
kanto1
Toy ny fanoto : ka antitra vao kely anarana.
kanto1
Ela nanidinana andriam balala, ka tapaka ny elany.
kanto1
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
Mandroroa toy ny mason antitra.
kanto1
Tsy avelan ny ela tsy ho antitra.
kanto1
Iri mahory, toy ny volo fotsy.
kanto1
Aza mitaitay ho sola, fa vato no lolohavina.
kanto1
Ny sola malahelo tsy mba Rangahy.
kanto1
Aza manao famakiloha anaty katsaka: ka izay mitranga Rangahy avokoa.
kanto1
Aza manao tahon katsaka am body fahitra, ka izay miposaka mena somotra daholo.
kanto1
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
kanto1
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa tovon karena ho lany.
kanto1
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
Tsy mety raha ny lehilahy lehibe misitsioka foana, nefa tsy mety raha very sioka.
kanto1
Tanora be sondrotr aina, ka ho faty alohan ny marary.
kanto1
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty
kanto1
1
2
>