Mamy ny mody
vale 16/09/2005 13:53

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

jentilisa ( 21/09/2005 09:14)
tantara iray: torovana avy niasa Andrianampoinimerina sy ny lehilahy niara-niasa taminy? dia nanontany ny olona,hono, izy hoe: inona ry zalahy no mamy? dia nisy namaly hoe fary. Mamy ihany fa misy faikany ireny hoy ny Manjaka. Tanteny ary! fa mbola misy faikany ihany izany hoy ny Manjaka. Tsy hitanay intsony ny Andriana, hoy ny olona. Ny mody ry zalahy no mamy, hoy ny valin-teniny. Ravo avokoa ny olona nandre izany. Tsy haiko io na angano na arira fa raha lainga io tsy izaho no mandainga fa ny Ntaolo izay nitantara tamiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918