Fihevitry ny tompon'ny andevo ny hoe izay zavatra azon'ireo andevo dia azy avy hatrany fa tsy fananan'ilay farany akory. Nisy izany ohatra nony nisy ny fidiran'ny vazaha teto amintsika dia misy vazaha malahelo ny andevo dia avy hatrany lasan'ilay tompony ny zavatra nomen'ireo vazaha. Sakafo ihany no hany fananana mahafaly ny andevo rehefa omena satria tonga dia haniny iny fa tsy mankaiza intsony.
Hevitra mandeha