Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
dagomainty 07/05/2013 18:58

Hametraka hevitra

Midira aloha

Hevitra mandeha

sylvoalias ( 10/05/2013 07:00)
Tsy ny varotra no taloha fa ny fihavanana, izay tia olona tia havana,izay tia havana tia vahoaka ary izay tia vahoaka tia ny taniny ,ary izay tia ny taniny toa ny tanindrazany.
Tsy misy mamy toy ny havana fa na atin-bitsika aza ifan-jarana...ary na masiaka aza ny voay tsy homa-namana.....
Araka ny hevitro ny fihavanana dia fitiavana satria izay tsy tia tsy mahay mihavana....
S.
sylvoalias ( 10/05/2013 06:48)
Inona anefa hoy ianao no fahita matetika eo amin'ny fiarahamonina anadavan'andro...?
Iza no hahafoy ny volany noho izay fihavanana ??
Firy amintsika no hahafoy ny volany sy ny fotoanany noho ny ain'ny havany sy ny namany.
havako ianao raha misy patsa...fa rehefa tsy misy hatoraka sy ho karepohina ianao de eo ianao sy ny lambanao...
mampalahelo fa izany no zava-miseho matetika eo anivon'ny fiarahamonin-tsika...
vavankisoa misy sira io ka hasakasak'izay homana azy...am-bava mitsako am-po kosa mieritreritra.
dagomainty ( 07/05/2013 19:02)
raha ara-bakiteny io ohabolana io dia aleo very any ny vola toy izay very namana akaiky izay tena mifandray tanteraka aminao...
dagomainty ( 07/05/2013 19:02)
raha ara-bakiteny io ohabolana io dia aleo very any ny vola toy izay very namana akaiky izay tena mifandray tanteraka aminao...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0678